Politique

Vondron’ny fiarahamonim-pirenena Tsy manaiky hataon-dRajoelina fitaovana ?


  • Alatsinainy 21 Jona 2010

Anisan’ireo nihaona sy nanome soso-kevitra ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena sy ny komitin’ny olobe sy ny raiamandreny, izay hikarakara ny fihaonambem-pirenena i Raharinaivo Andrianatoandro avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, ny faran’ny herinandro teo.

Araka ny resaka nifanaovana tamin’ity mpitondra tenin’ny antoko TIM ity dia nametra-panontaniana ny amin’ny fomba hanatanterahana ity fihaonambe ity sy ny fomba fiasa ao anatin’izany, tahaka ny fandaniana na fandavana tolo-kevitra, ary ny fomba hisafidianana ireo vondrona na fikambanana na antoko politika handray anjara amin’izany ny tenany. Nambaran-dRaharinaivo Andrianatoandro ihany fa somary kivikivy ny amin’ny fizotry ny raharaha ireto vondron’ny fiarahamonim-pirenena ireto, satria mitarazoka ny asa noho ny tsy nivoahan’ny tetibola hampiasain’izy ireo. Avy amin’ny Fanjakana moa io tetibola io. Araka resaka mandeha, hoy izy, dia tsy mety mamoaka io vola io ny avy ao amin’ny HAT satria tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy ny fomba fiasan’ireto fiarahamonim-pirenena ireto.

Raha ny fahitana azy mantsy, hoy ihany i Raharinaivo dia saika hanao fitaovana azy ireto fotsiny i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, mba hampandaniana sy hampanekena ny rehetra ny hevitr’izy ireo. Tsy nanaiky izany anefa ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena sy ny komitin’ny olobe fa mitaky ny hanatanterahana ny tena fikaonan-doham-pirenena, handraisan’ny firehana sy nankolafy rehetra anjara. Ary tsy tokony hitanila ny fanapahan-kevitra horaisina ao fa neken’ny besinimaro ary tena mitsinjo ny tombontsoa ambonin’ny firenena tokoa. «Mitarazoka loatra ny resaka, misy ny mbola mieritreritra ny hanjaka irery eto, mbola tsy milamina ny fikarakarana ity fikaonan-doham-pirenena ity, ary manahy mihitsy aho fa hitsefotra indray izy ity ary tsy ho vita hatramin’ny farany», hoy Raharinaivo Andrianatoandro raha namintina ny zava-misy amin’izao fotoana. Ny fandrafetana ny lalàmpanorenana vaovao, ny fampihavanam-pirenena, ny famotsoran-keloka moa no anisan’ireo lohahevi-dehibe tokony hodinihana mandritra ity fikaonan-doham-pirenena ity, izay hialoavan’ny fikaonan-doham-paritra isaky ny distrika, araka ny fandaharam-potoana tany am-boalohany. Raha ny fahitana azy dia mety ho ambatobevohoka, tsy mety ho teraka indray izany hetsika izany !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT