Anisan’ireo faritra lasibatry ny fahatapahan’ny famatsiam-bola avy amin ‘ny Vondrona Eoropeanina i Mananara. Tetikasa tokony ho natomboka manko ny fanamboarana fotodrafitrasa maroamro any an-toerana, raha tsy hiteny afa-tsy ny lalana.
Iaraha-mahalala rahateo fa anisan’ireo faritra tena saro-dalana io toerana io. Tsy azo atao anefa ny lalana ankehitriny ary tsy mbola fantatra hoe rahoviana indray vao hatao izany satria tapaka ny famatsiana ny tahiry eoropeanina ho an’ny fampandrosoana na ny Fed andiany faha-10. Ankoatra izay dia nambaran’ity olom-boafidin’i Mananara ity fa misy sambo sous marin 2 mivezivezy mitatitra hazo sarobidy dia ny andramena izany. Amin’ny misasakalina, araka ny fanazavana no hitateran’ireo sambo ireo ny andramena, miainga eo amin’ny seranan’i Mananara. Gaboraraka ny zava-misy any an-toerana, raha ny vaovao ihany. Nampitandrina moa ity olom-boafidy fa mbola hahita faisana ireo sambo ireo. “Mangalatra ny fanjakana ka tsy ho ela ny faran’izany”, hoy izy. Momba ny fitohizan’ny tolona moa dia nambaran’ity solombavambahoaka ity fa hihetsika ny faritra rehetra, hoy izy ka efa miomana i Toamasina sy Fianarantsoa. Nohamafisiny ihany koa fa tsy maintsy ho avy, hiverina an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana ary tsy hoe hiverina fe hiverina fotsiny ihany fa hirotsaka hofidiana amin’izay fifidianana filoham-pirenena hatao eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.