Politique

Rakotovao Mario Ministra nesorina lasa PDS-n’ny Kaominina Toamasina I


  • Zoma 18 Jona 2010

“Efa voatendry ny Pds-n’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, ny tenako mihitsy no nanao sonia izany mialoha ny ahatongavako eto izao”.

Izay no nambaran’ny jeneraly Camille Vital, Praiministry ny FAT, raha vao nigadona tao Ambalamanasy ny tenany omaly niaraka tamin’ireo mpikambana telo ao amin’ny governemantany dia Razafimanazato Julien (fanabeazam-pirenena), Jaonina Mamitiana Juscelyno (fambolena) ary ny jeneraly Rajaonarison Pascal Jacques (fahasalamana).

Araka ny didy navoakan’ny governemanta izany dia Rakotovao Mario no Pds-n’ny Kaominin’i Toamasina renivohitra. Efa ministry ny tontolo iainana teo aloha, fantan-daza tamin’ny ireny raharaha “bois de rose” ireny izy. Mpikambana tao amin’ny governemanta Monja Roindefo Rakotovao Mario ary anisan’ireo voailika voalohany taorian’i Maputo sy Addis-abeba ary ekipa Tgv hatramin’ny taona 2009 taorian’ny nialany teo anivon’ny tetikasa Dynatec. Ny lefitra voalohany kosa dia i Belahy Paul. Filohan’ny mpanolotsaina monisipaly Toamasina ity farany ary fanindroany izao izy no amin’izany toerana izany, avy amin’ny antokon’i Roland Ratsiraka MTS (Malagasy Tonga Saina). Ny lefitra faharoan’ny PDS kosa dia i Naharimamy Irma. Mpanolotsaina manokan’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, hatrany am-boalohany izy ary nanohana an’i Alain Mahavimbina hatramin’ny nananganan’ity farany ny TGV tao Toamasina. Nolazain’i Camille Vital nandritra ny fampahafantarana ny PDS vaovaon’ny Kaominina, tao Ambalamanasa, fa “noho ny toe-java-misy mihatra amin’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Rakotomanana Gervais, vokatra ilay fanodikodinam-bola teo anivon’ny Kaominina anenjehana azy, dia voatery nandray andraikitra sy fepetra ny Fanjakana fa ny raharaham-pirenena tsy miandry.
 
Ny fanomanana ny fetim-pirenena koa mila atao tomombana”. Nambarany koa anefa fa “tsy ny tenany no nisivana sy nahita ary nandray ny fanapahan-kevitra tamin’ny fisafidianana azy telo mianadahy ireo, fa eo ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, izay tompomarika amin’ny fanaraha-maso sy mifanampy amin’ny Kaominina”.
Tsy nahagaga loatra raha ireo olona ireo no voafidy tao anatin’ny “CV” am-polony maro voarain’ny governemanta. Efa tazantazana teny hatrany izy ireo nandritra ny lanonana maromaro nitranga tato ho ato izay fa ny naha voatendry an’i Belahy Paul no misy ifandraisany amin’i Roland Ratsiraka filohan’ny MTS Madagasikara. Amin’izao raharaha izao anefa, dia tonga amin’ilay fiteny hoe “nitetika arivo maty iray alina” ireo mpiara-miasa tamin’ny Ben’ny tanàna Rakotomanana Gervais, izay nanao dokambarotra ny teniny ho lasa PDS-n’ny Kaominina. Misy mihitsy no efa nisora-tena hahazo ny toerana amin’ny fisehoana ivelany etsy sy eroa, sy amin’ny fiarahana amin’ny ekipa hafa eny rehetra eny. Maro amin’izy ireo sahady no kivy ankehitriny vokatr’izany, eo koa ireo nanenina sahady noho ny zavatra nataony.
 
Na ny lehiben’ny Faritra Alain Mahavimbina na ity PDS vao notendrena, Rakotovao Mario dia samy zanak’i Maroantsetra sy TGV, midika io fa fanendrena politika tsotra izao no natao. Omaly ihany moa dia feno trakta niely eran’ny tanànan’i Toamasina, mitsikera ny fomba fanendrena sy ny ity PDS vaovao ity.
Raha ny fandaharam-potoana sy ny vaovao fantatra aloha hatreto, izay isany hahatongavan’ny Praiminisitra ao Toamasina izao, dia ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo PDS-n’ny Kaominin’i Toamasina renivohitra vaovao amin’ny toerany anio zoma 18 jona.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT