Politique

Toliara - Raharaha “Tokobe Telo” Mety ho zava-doza no hitranga anio


  • Zoma 18 Jona 2010

Hiara-hientana mihitsy ny mponina ao Toliara anio hanohitra ny jadona misy any an-toerana. Taorian’ny famonjana an’ireo mpikambana ao amin’ny Tokobe Telo mantsy dia tezitra mafy ny mpomba azy ireo any an-toerana, indrindra ny avy amin’ny foko Tanäla.

Nihantsy ny FAT mihitsy izy ireo fa raha tsy mivoaka i Tababelo Mandaso na i Marin, Zantera Milson, Mandridaky Rabeony ary Sazalahy Tsianihy dia mety ho zava-doza no hitranga ao Toliara anio. Nanao filaharana manerana ny tanànan’i Toliara ireo olona an-jatony maro avy amin’ny foko Tanäla omaly nampiseho fihetsika fa raha tsy hafahana ireo mpiray foko amin’izy ireo izay nosamborina tamin’ny faran’ny herinandro teo dia hisy raha. «Miomana ianareo Vezo», hoy izy ireo nanerana ny tanàna.

Noho ny resaka fanapariahana trakta izay voalaza fa nanala-baraka ny FAT sy ny filazana fa manao asa fanakorontana moa no voalaza fa vesatra anenjehana azy efatra nosamborina ireto. Araka ny fantatra avy any an-toerana anefa dia anisan’ireo tsy manaiky ny tsindry hazo lena sy ny fampidirana am-ponja olona tsy amin’ny antony izay manjaka ankehitriny no tena foto-kevitra ijoroan’izy efatra mirahalahy ireto.
Etsy an-daniny, fantatra ihany koa fa hitaky ny hamoahana tsy misy hatakandro ny lietna kolonely Andrianjafy Raymond ireto Tokobe Telo ireto. «Olona mpiray fiaviana aminay iny koa raha tsy avoakan’ny FAT haingana dia efa ady vakiana aminay izany», hoy izy ireo. Manoloana izany rehetra izany dia ho ivon’ny tena demokrasia marina i Toliara anio.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT