Politique

Ravalomanana tao Antsiranana “Tsy avelantsika ho faty ny SECREN”


  • Alatsinainy 21 Jona 2010

“Mandalo fahasahiranana goavana ny orinasa Secren toeram-piasanay amin’izao fotoana izao”, hoy ny mpiasa iray, niresaka mivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tany Antsiranana ny sabotsy teo.

«Henoko izay ka hataoko anatin’ireo ezaka hitadiavako vahaolana avy aty ivelany io orinasa Secren io. Tsara indrindra ny nilazanao izany, misaotra anareo fa tsy avelatsika ho faty ny Secren”, hoy kosa ny filoha namaly ny ahiahin’ity mpiasa. Tsy ny orinasa Secren ihany moa no nasian-dRavalomanana teny fa teo koa ny fiainana ankapoben’ny Malagasy mihitsy izay tsy mitsaha-mitotongana hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana teto amintsika ka nitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny Fanjakana. Tsy vitsy, hoy izy ny tsy afaka mampiana-janaka, tsy misakafo araka ny tokony ho izy intsony noho ny fahasahiranana lalina. Ankoatra izay dia anisan’ireo lasibatry ny fahatapahan’ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina iny tapany avaratry ny Nosy iny.

Araka ny fanazavana, tsy azo hamboarina indray ny lalana mampifandray an’i Vohémar sy Ambilobe izay efa tao anatin’ny fandaharan’asan’ny fanjakana tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Nambaran’ity farany fa dia “mahonena ny toetran’ny olona sasany matim-bola sy voninahitra ka mahavita ny mamadika palitao. Tiako i Madagasikara”, hoy izy. “Raha zavatra tsy ho vitako dia tsy nolazaiko”, hoy ihany izy manamafy. “Noheveriko toy ny zanako i Madagasikara ka notiaviko ka nanaovana iny drafitra Madagasikara Amperin’asa na Map iny”, hoy ihany i Marc Ravalomanana izay nilaza fa tsy matory andro aman’alina mitady izay vahaolana amin’ny fomba rehetra na ara-politika na ara diplomatika hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. “Aoka isika, tsy hofitahan’ireo mpamafy lainga etsy sy eroa”, hoy ihany izy. Nanamafy moa ny filoha Marc Ravalomanana fa mbola vonona tanteraka hanompo ny fireneny ny tenany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT