- Zoma 16 Jolay 2010
Politique.Dinika santatra Nihaona ny UDR- Raiamandreny Mijoro
Hamaky ny tohiny
Hamaky ny tohiny
Tsy ho ela dia hiditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra ny mpianatra ireo tanora. Tsy ho diso anjara ireo tanora avy amin’ny ankolafy Madagasikara. «Hatao sehatra mahatonga saina ny kianjan’ny Finoana manomboka izao”, hoy i Constant Raveloson.
Hamaky ny tohiny“Azo antoka ny fitondrana tetezamita, hoy i Pierre Tsiranana, mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Afaka hitondra ny fanovana izay irin’ny vahoaka Malagasy io fitondrana mijoro io. Ny avy ato anatiny ihany anefa no sakana amin’ny fampandrosoana sy ny famaranana haingana ity tetezamita ity”. Anisan’ny tenin’i Pierre Tsiranana io tamin’ny resaka nivantambatana natao taminy.
Hamaky ny tohinyTaorian’ny dian’ireo parlemantera avy amin’ny vondrona Afrika-Karaiba-Pasifika sy ny Vondrona eoropeanina, dia fantatra izao, araka ny vaovao, fa any Mahé no hivory indray izy ireo, hanao ny tatitry ny diany teto amintsika, mialoha ny hanolorana azy eo anatrehan’ny Assemblée parlementaire paritaire.
Hamaky ny tohinyAnisan’ireo iharan’ny tsy rariny sy tototry ny antsojay ataon’ny FAT ny antoko Monima sy ireo mpitarika ary mpikambana maromaro ao aminy, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionaliny, Rajoarison Rainidina. Nambarany mantsy fa dia filam-baniny sy sotasota tsotra izao no atao amin’izy ireo.
Hamaky ny tohinyTsy i Marc Ravalomanana no mila famafan-tsazy fa ireo ao anivon’ny FAT. Nanao ratsy teto amin’ny firenena ny FAT, hoy ny tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana ka tokony hosaziana.
Hamaky ny tohiny