Tsy ho ela dia hiditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra ny mpianatra ireo tanora. Tsy ho diso anjara ireo tanora avy amin’ny ankolafy Madagasikara. «Hatao sehatra mahatonga saina ny kianjan’ny Finoana manomboka izao”, hoy i Constant Raveloson.
Hatao kianja ho fampirisihana, hisarihana ny tanora ny etsy Behoririka, araka ny fanazavana, ka efa mandeha tsikelikely ny fikarakarana izany. Nambarany fa fitondrana gorisagorisa izao misy izao, tsy afaka hiakatra fa hidina hatrany ka dia latsaka anaty lavaka no hiafarany. Manoloana izany indrindra moa dia niantso ireo Parlemantera i Constant Raveloson mba hanao famotorana sy fanadihadiana momba ny fihoaram-pefy nahazo laka tato ho ato, indrindra ity resaka “bois de rose”ity. Nahitsy ny depiote Raharisaina Hery raha niresaka momba izany, ka nilaza fa “tsy maintsy tratrantsika ireo mpangalatra ‘bois de rose’ any Vohémar”. Fa fantatra ihany koa, araka ny nambaran’ny depiote Raharisaina fa nahazo vola mitentina 120 tapitrisa dolara ny FAT avy amin’ny masoivoho frantsay ho amin’ny fampandrosoana na ny AFD, hanatanterahana ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana ho an’ny taona arivo na ny Omd. Mametra-panontaniana moa izy ny amin’izay nalehan’ny vola marina satria dia trosa izany ary ny vahoaka Malagasy no tsy maintsy hanonitra azy. Fa anisan’ny nampiavaka ny andro omaly teny amin’ny kianjan’ny Finoana, ny fahatongavan’ireo delegasiona avy any amin’ny faritra Vakinankaratra izay nankahery ireo mpitolona eto an-drenivohitra. Tsy hamela an’Antananarivo koa Antsirabe, araka ny vaovao satria itokian’ny Malagasy rehetra manerana ny nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.