Politique

Dinika santatra Nihaona ny UDR- Raiamandreny Mijoro


  • Zoma 16 Jolay 2010


Mitohy amin’izao fotoana izao ny fanentanana ny rehetra handray anjara amin’ny Dinika Santatra izay hotanterahina ny 28 ka hatramin’ny 31 jolay ho avy izao manerana ny distrika 119. Ny UDR, izay ivondronan’ny antoko politika manohana ny fitondrana FAT no nihaona tamin’ny solontenan’ny Raiamandreny Mijoro nahitana ny Pasitera Ramino Paul sy ny avy amin’ny Vondron’ny olom-pirenena nahitana an’i Velompanahy Aristide sy ny Pasitera Rasolonjatovo Nestor.

Nanambara ny Pasitera Ramino Paul taorian’ny fihaonana fa mitazona hatrany ny tsy fiandaniana na amin’iza na amin’iza ny Raiamandreny Mijoro. Tsy midika ho fiandaniana amin’ny fitondram-panjakana akory ny fihaonana amin’ny vondron’ireo mpanao politika ao amin’ny UDR. Nampita hafatra ny Raiamandreny Mijoro, hoy ihany ny Pasitera Ramino Paul amin’ny tokony hampitsaharana amin’izay ny fifandroritana, fa kosa mba samy hijerena amin’izay ny tombontsoan’ny firenena. Tokony hitandrina amin’izay ny rehetra amin’ny teny havoaka hoy izy, mba ho teny tsy hanafintohina ny sasany. Fitadiavam-bahaolana moa no atao hoy izy, ary nanentana ny rehetra ny Pasitera Ramino Paul, mba samy hampiseho fahavononana hiatrika ny Dinika Santatra, irosoana amin’ny Fikaonandoham-pirenena.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT