“Azo antoka ny fitondrana tetezamita, hoy i Pierre Tsiranana, mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Afaka hitondra ny fanovana izay irin’ny vahoaka Malagasy io fitondrana mijoro io. Ny avy ato anatiny ihany anefa no sakana amin’ny fampandrosoana sy ny famaranana haingana ity tetezamita ity”. Anisan’ny tenin’i Pierre Tsiranana io tamin’ny resaka nivantambatana natao taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Zavatra nalaza nandritra iny herinandro iny, ny fandalovan’ny irak’i Joachim Chissano , izay mpanelanelana avy amin’ny GIC sy ny SADC. Ahoana ny fijerinao an’izay ?
Pierre Tsiranana (P.T) : Efa hatramin’ny ela aho no tsy natoky an’io SADC io ho mahavaha olana. Tsy hitako intsony izay antony ahatongavany aty. Efa tamin’ny volana martsa 2009 isika no efa naatony tsy ho mpikambana ao amin’io Vondrona io. Tsy misy intsony izany antony tokony mbola hitsabahany amin’ny raharaha tokantranontsika. Nisy anefa ny “lobbying” izay nataon’ingahy Ravalomanana teo amin’ny Vondrona afrikanina, ka nahatafiditra azy ity ho mpanelanelana. Miharihary ny fitongilanan’i Chissano, ka tsy mahagaga raha tsy nahomby ny fanelanelanana nataony, satria mahatsapa izany fitongilanana izany ny ankilany. Efa misy moa izao ny dingana ataon’ny Raiamandreny Mijoro, ka io no tokony hotohanana raha toa ka te handamina marina ny olana eto Madagasikara izy.
T.T : Efa niresaka momba an’izay Raiamandreny Mijoro izay ihany ianao, hamaha ny olana misy ve ny zavatra karakarain’izy ireo ?
P.T : Rehefa manao politika ianao, dia manana toe-tsaina toy izao : 50% ny “optimisme” ary 50% ny “pessimisme”. Noho izany, dia mahita aho fa efa miroso ihany ny fanomanana ny dinika karakarain’izy ireo, ka azo inoana fa mety hahomby io. Efa misy ihany koa ireo antoko maro izay efa manambara ny fahavononany handray anjara, ka izany no mahavelom-panantenana ahy fa hahomby ny dinika.
T.T: Ny zavatra tsikaritra dia mitarazoka ity toe-draharaha eto Madagasikara ity. Tsy mety mahita ny marimaritra iraisana ianareo mpanao politika, hany ka ny vahoaka no mizaka ny vokany. Ahoana ny momba an’izay?
P.T : Ekeko ny fanamarihana ataonao. Misy tokoa ny fitarazohana. Efa nisy ny tetiandro nomen’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teo. Tsy nekena anefa izany, ary noheverina ho fanapahan-kevitr’olon-tokana. Izay no antony ho mampitarazoka ny raharaha. Raha tonga dia niara-nanaiky ny rehetra hiroso haingana amin’ny fifidianana, vetivety dia mifarana ny tetezamita. Izay voafidim-bahoaka no mipetraka amin’ny toerana. Tsy izany anefa no mitranga, fa samy mifandrirotra eo ny hevitra. Amiko dia avy ato anatiny ihany no sakana, ka mampitarazoka ny raharaha. Ireo avy any ivelany tsy maintsy manaiky raha mifanaraka isika samy Malagasy. Tsy ho sarotiny alohan’ny tompony velively izy ireo. Ity tetezamita ity anefa no eritreretin’ny sasany ahazoana toerana ka izay no androritana an’io hoe : fampiharana ny satan’i Maputo io.
T.T : Mitaky ny famoahana ireo gadra politika ny Parlemantera eoropeanina sy avy amin’ny ACP nandalo teto. Ny hevitrao momba an’izay?
P.T : Manao antsojay ny fahitako ny Vondrona Eoropeanina. Mazava anie fa tsy maintsy lalàna no mamaritra ny famotsoran-keloka e ! Tsy afaka manao izany ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy andrasana ny Repoblika faha-IV, mijoro ny rafitra rehetra vao azo irosoana izany famotsoran-keloka izany. Ireo voatazona amin’izao anie dia aoka hazava fa tsy raharaha politika no itazomana azy e ! Fanakorontanana saim-bahoaka sy herisetra no itazonana azy ireo. Tsy misy antony politika mihitsy. Izay no tokony hazava amin’izy ireo.
T.T : Farany, nankalazaina omaly ny fetim-pirenena frantsay, tsy hita teny ianao. Ny anton’izay tompoko ?
P.T : Tsy nanatrika aho, ary tsy mbola nanatrika io fetim-pirenena frantsay io. Tsy mahatsapa ny tenako ho Frantsay aho, ka tsy misy antony tokony hanatrehako izany. Naman’ny Frantsay aho, saingy tsy mitovy hevitra amin’ny governemanta frantsay. Tsoriko fa notaizaina tamin’ny “tendance droite” aho, izany hoe : “tendance gauliste”. «Je suis pour Villepin» !
Dinika nangonin-dRabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.