Anisan’ireo iharan’ny tsy rariny sy tototry ny antsojay ataon’ny FAT ny antoko Monima sy ireo mpitarika ary mpikambana maromaro ao aminy, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionaliny, Rajoarison Rainidina. Nambarany mantsy fa dia filam-baniny sy sotasota tsotra izao no atao amin’izy ireo.
Eo aloha ny fanenjehana an-kolaka sy mivantana atao amin’i Monja Roindefo, izay Praiministra voalohany teo amin’ny fitondrana tetezamita, ary voailika taorian’ny fifanarahan’i Maputo. Araka ny filazan’ity mpandrindra nasionaly ity ihany dia miaramila no naka ireo fiara nampiasain’ny mpiara-miasa akaiky amin’i Monja Roindefo tamin’izy praiminisitra. Tsy sanatria fibodoana ny fananam-panjakana no ataonay, fa mba tokony hisy kosa ny fanarahan-dalàna sy taratasy mazava amin’ny fakana ireny fiara ireny, hoy i Rajoarison, fa tsy tonga dia miaramila mivatravatra miaraka amin’ny basy no maka azy, amin’izay tsy mba misy fanajana mihitsy. Tokony hatao mazava ny taratasy nakana ny fiara, araka ny nambarany satria iza no mahalala hoe alefa aiza marina ireny fiara ireny rehefa avy eo ? Mikasika ny fanomanana ny Dinika santatra sy ny fikaonandoham-pirenena ilofosan’ny FAT amin’izao fotoana kosa dia hitan’ny Monima fa kitoatota ihany izany, ary tsy azo ambara ho mahasolo tena ny vahoaka Malagasy.
Mametra-panontaniana ity antokon’i Monja Roindefo ity hoe : ahoana ireo fehin-kevitra efa tapaka nandritra ny fikaonandoham-paritra tamin’ny herintaona ? Nahoana no tsy omena andraikitra amin’ny fanomanana ny fikaonandoham-paritra ny CSR–N tarihan-dramatoa Blanche Richard, izay komity nandravona ny hevitra rehetra voaray manerana ny nosy tamin’ny 2009 ? Fa inona indray no mbola hananganana komity hafa hikarakara ny fikaonandoham-paritra isaky ny distrika, kanefa efa natao izany ? Henjehina sy ahilika ny Monima amin’izao fotoana, hoy ny mpandrindra nasionaliny, Rajoarison Rainidina, satria tsy te hametraka ny fanovana nifanarahana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny FAT fa mirona tsikelikely any amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy. Ny Monima moa dia mitaky ny hanaovana ny tena fampihavanam-pirenena sy fihaonambem-pirenena, handraisan’ny ankolafy politika sy ny hery velona rehetra tsy ankanavaka anjara, ary tsy manaiky ny hidiran’ny vahiny lava amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara.
Kianin’ity antokon’i Monja Roindefo ity ny fomba fiasan’ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina izay tsy mety mandray ny hevitry ny ankolafy hafa mihitsy, ary miezaka ny manampim-bava sy managadra ireo sahy mijoro milaza izay tsy mety ataony. Araka ny resaka mandeha efa hatry ny ela dia anisan’ireo tokony hosamborina i Monja Roindefo saingy tsy nety tanteraka mihitsy izany, noho ity farany voalaza fa manana mpanohana eo anivon’ny foloalindahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.