Politique

Parlemantera ACP- UE Manery ny FAT


  • Alakamisy 15 Jolay 2010

Taorian’ny dian’ireo parlemantera avy amin’ny vondrona Afrika-Karaiba-Pasifika sy ny Vondrona eoropeanina, dia fantatra izao, araka ny vaovao, fa any Mahé no hivory indray izy ireo, hanao ny tatitry ny diany teto amintsika, mialoha ny hanolorana azy eo anatrehan’ny Assemblée parlementaire paritaire.

Anisan’ny nizingizinin’ireo delegasiona izay nahitana ny depiote Elie Hoarau, Michèle Rivasi avy any Frantsa sy Joanna Senyszyn avy any Pologne ny famotsorana tsy misy fepetra ireo gadra politika, indrindra fa ireo mpanao gazety. Tafiditra ao anatin’ny dingan’ny fampihavanam-pirenena izany, hoy izy ireo. Notsindrian’i Michèle Rivasi fa tsy afaka hikarakara fifidianana lazaina fa malalaka sy mangaraharaha raha toa ka any am-ponja ny mpanao gazety. Raha namaly izany moa i Andry Rajoelina, dia nilaza tanaty fanambarana fa mahaleotena ny fitsarana malagasy ary dia miankina amin’ity farany ny hamotsorana na tsia ireo gadra. Nohamafisin’ny AC P sy ny Vondrona Eoropeanina fa manohana ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy izy ireo, saingy takian’izy ireo kosa ny hampidirana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ho anisan’ireo lahadinika mandritra ny dinika nasionaly. 

Nangonin’i Soa
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT