Tsy i Marc Ravalomanana no mila famafan-tsazy fa ireo ao anivon’ny FAT. Nanao ratsy teto amin’ny firenena ny FAT, hoy ny tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana ka tokony hosaziana.
Ny zavatra rehetra tadiavin’ireo mitonona ho Raimandreny Mijoro, hoy ny Dr Julien, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert, dia efa tafiditra ao anatin’ny fifanarahan’i Maputo fa tsy misy zava-baovao. I Olivier Rakotovazaha raha nanohy dia nanitsy fa “Tsy Raiamandreny mijoro ireo, fa Raiamandreny najoro”. Tsy manana ilay antsoina hoe tsy fombana ny atsy na ny eroa ireo milaza azy ho raiamandreny ireo, hoy ny sekretera jeneralin’ny Mfm satria anisan’ireo nivory teny amin’ny La Rotonde mialoha ny 17 martsa. Tetsy andanin’izany dia nambaran’i Oliver Rakotovazaha ihany koa fa tsy hanome hasina ny Frantsay ny Mfm, ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy roa hafa. Nanampy tamin’ny fanonganam-panjakana manko ny Frantsay, araka ny fanazavany, ka dia tsy hanatrika ny fety izay nanasana azy ireo ireto ankolafy ireto. Voarain’ny Parlemantera avy amin’ny vondrona Afrika-Karaiba-Pasifika sy ny solontena avy amin’ny Vondrona Eoropeanina. Tsapan’ireo parlemantera, araka ny fanazavana fa tsy misy demokrasia eto amintsika, ary mila miverina ireo sesitany, mila mivoaka ireo gadra politika. Fantatra moa fa rehefa nandao an’i Madagasikara ireo Parlemantera vahiny ireo dia nihazo an’i Afrika Atsimo, nidinika tamin’i Marc Ravalomanana. Araka ny vaovao dia nanambara ireo Parlemantera fa tsy nisy azo noraisina ny tolo-kevitry ny FAT.
Manamafy ny fitakian’ireo Parlemantera vahiny ireo koa ny ankolafy Ravalomanana manoloana ny mety hanatanterahana ny Dinika santatra. Nilaza ny depiote Zafilahy Stanislas fa mitaky ny fiverenan’i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka izy ireo. Ireo ihany no afaka hanao sonia izay ho tapaka eo, eo koa ny fitakiana ny fisokafan’ny haino aman-jery nakatona rehetra, mba halalaka ny fanehoan-kevitra. Ankoatra izany, ny fivoahan’ireo gadra politika, hoy ihany ny solombavambahoakan’i Vavatenina izay nitaky ihany koa ny tsy fomban’ny tafika ny atsy na ny eroa sy ny fandraisan’ny FFKM anjara mandritra izany dinika santatra mety hatao izany. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas ihany koa fa ho avy eto Madagasikara i Joachim Chissano. Momba ny resaka fanondranana hazo sarobidy moa dia antso no nataony mba hanao fanadihadiana any Mananara dia ho hita izay tena ao ambadiky ny fanondranana ireo andramena ireo. Tetsy ankilan’izany moa dia nokianin’i Zafilahy Stanilas ihany koa i Kaleta, loholona teo aloha, izay nambarany fa “mijapy hatrany satria tsy manana ny maha izy azy”. Tamin’izany no nilazan’ity olom-boafidy ity fa dia niady mafy amin’ny fitantanana ny TIM tao amin’ny faritra Anosy ity loholona teo aloha ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.