• Zoma 06 Aogositra 2010
Politique.Gisèle Rabesahala «Hamerina ny satan’i Maputo ireo antoko politika mivondrona»

«Tsy zava-baovao fa famerenana ny fifanarahan’i Maputo no tadiavin’ny sehatra ifanakalozan-kevitry ny antoko politika hatao», hoy i Gisèle Rabesahala omaly, izay nanamarika fa amin’ny maha olom-pirenena tsotra azy no hanaovany izany fanambarana izany, fa tsy amin’ny anaran’ny Raiamandreny Mijoro, na dia anisan’ireo 14 mianadahy nanangana ity rafitra ity aza ny tenany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Aogositra 2010
Politique.Andry Rajoelina Hiverina hitarika ankolafy indray ?

Anio tolakandro no hotanterahana eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonan’ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina, sy ireo mpanao politika avy ao amin’ny «Sehatra ifanakalozan-kevitry ny antoko politika», izay ahitana antoko 55 moa.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Aogositra 2010
Politique.Voninahitsy Jean Eugène Najoro hiaro an’i Andry Rajoelina ?

Niseho masoandro indray rehefa tsy hita am-bolana vitsivitsy i Voninahitsy Jean Eugène, filoha mpitarika ny antokjo RPSD vaovao. Nivatravatra avy hatrany ity mpanao politika nalaza tamin’ny fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka ity fa tsy azo ekena mihitsy ny hananganana tetezamita amin’ny endriny vaovao izany, fa tokony havela hiasa tsara ary hamita hatramin’ny farany ny tetezamita ny mpitondra misy amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 05 Aogositra 2010
Politique.“GTT International” Ifandroritan’ny “diaspora”

Na dia mitovy aza tsy sahala ! Izay no azo ilazana ny raharaha «GTT International». Ny anarana no itoviana, araka ny fanazavana, fa ny fikambanana dia roa samy hafa izay mifanipaka ny tanjony.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 05 Aogositra 2010
Politique.Ankolafy 3 Tsy miova ny tanjona

Mizara efatra raha kely ny FAT amin’izao fotoana izao, hoy ny solontenan’ny kongresista avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Ao ireo mankasitraka ny resaky ny Raimandreny Mijoro sy ireo miara-dia aminy, ao ireo manohitra izany.

Hamaky ny tohiny
FTT