Politique

“GTT International” Ifandroritan’ny “diaspora”


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010

Na dia mitovy aza tsy sahala ! Izay no azo ilazana ny raharaha «GTT International». Ny anarana no itoviana, araka ny fanazavana, fa ny fikambanana dia roa samy hafa izay mifanipaka ny tanjony.

Raha nahita ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny gazety TT omaly ry zareo avy amin’ny «GTT International». fototra manana ny foibeny ao Soisa dia nilaza fa tsy tokony hafangaro ny «GTT International» izay vao natsangan’i Emile Ratefinanahary sy i Lala Rahaga. Malagasy maro avy amin’ny vazan-tany efatra no mivondrona ao amin’ny «GTT International» manana ny foibeny ao Soisa, tsy niova tanjona hatrany am-piandohana. Araka ny fanazavan’ny komity mitantana ny GTT International Suisse, dia tsy mpikambana ao amin’ny «GTT international» izay manana ny foibeny ao Genève (Soisa) i Emile Ratefinanahary. Noho ny rafitra vaovao napetraka ihany koa dia natsahatra vonjimaika tsy ho filohan’ny fikambanana «GTT international» izay manana ny foibeny ao Genève ihany Ramatoa Lala Rahaga. Manoloana izany indrindra dia manambara ny komity fa izay fanambarana rehetra sy zavatra ataon’ireo voalaza any ivelany dia amin’ny anarany sy ny tenany manokana ihany na amin’ny anaran’ny «GTT international» ao Bretigny (Frantsa) fa tsy tompon’andraikitra ny «GTT international» izay manana ny foibeny ao Genève.

Tsy ny firenena ihany no mandalo krizy fa ireo fikambanana politika isan-tokony koa. Ny Malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy. Tsy ny «GTT International» no nisantatra izany na koa hamarana izany raha izao fandehan-javatra izao, kanefa ny fahendrena malagasy milaza fa ny isavorovoroan-kilantoana, ka izay misaraka fasika fa ny mitambatra no vato. Samy Malagasy avokoa anefa !
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT