«Tsy zava-baovao fa famerenana ny fifanarahan’i Maputo no tadiavin’ny sehatra ifanakalozan-kevitry ny antoko politika hatao», hoy i Gisčle Rabesahala omaly, izay nanamarika fa amin’ny maha olom-pirenena tsotra azy no hanaovany izany fanambarana izany, fa tsy amin’ny anaran’ny Raiamandreny Mijoro, na dia anisan’ireo 14 mianadahy nanangana ity rafitra ity aza ny tenany.
Tena mahalasa fisainana ireo fifanandrifian-javatra be loatra tato ho ato izay, hatramin’ny 14 jolay no ho mankaty, araka ny nambarany. Ary dia nanamafy moa izy fa tsy fifandrifian-javatra, araka ny eritreritry ny maro ireny fa efa drafitra maty paika, niainga avy any ivelany any ka tanjona ny famerenana ny fifanarahan’i Maputo amin’ny endriny hafa. Nanakiana mafy ny fitondrana tetezamita sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona ataony, ary nitaky fanazavana momba ny fifanarahana nataoan’ny FAT tamin’ny orinasa sinoa Wisco amin’ny fitrandrahana vy any Soalala, ny masoivoho Frantsay, ny 14 jolay, hoy i Gisèle Rabesahala. Nahoana anefa no tsy nitaky izany tamin’ny fitondrana teo aloha ny Frantsay, kanefa fifanarahana roa goavana no natao ? Herinandro taorian’io dia nanamafy ny filankevi-pilaminan’ny vondrona Afrikanina fa hohamafisina ny sazy mihatra amin’i Madagasikara, ary takiana ny fampiharana ny satan’i Maputo.
Nandalo teto avy eo ireo Parlemantera avy amin’ny «Association Amitié Madagascar-France» sy ireo Parlemantera avy amin’ny vondrona Afrika-Karaiba-Pasifika sy Vondrona Eoropeanina (ACP-UE) izay nitaky ny hamotsorana ireo gadra politika. Nitsidika teto nandritra ny 5 andro avy eo i Joaquim Chiossano, ary nihazakazahana avy eo ny fampivondronana ny fiarahamonim-pirenena ka nantsangana ny CNOSC dia izao mipoitra izao indray ny «Espace de concertation des partis politiques». Tsy fifanandrifian-javatra fotsiny izany rehetra, izany araka ny fahitan’i Gisèle Rabesahala azy fa efa drafitra maty paika, mba handravana ny tetezamita misy amin’izao fotoana ka hananganana ilay «Tetezamita Bis» araka ny satan’i Maputo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.