Politique

Ankolafy 3 Tsy miova ny tanjona


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010

Mizara efatra raha kely ny FAT amin’izao fotoana izao, hoy ny solontenan’ny kongresista avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Ao ireo mankasitraka ny resaky ny Raimandreny Mijoro sy ireo miara-dia aminy, ao ireo manohitra izany.

Eo koa anefa ireo milaza azy ho tsy momba ny atsy na ny eroa ary etsy andaniny ireo momba ny satan’i Maputo sy Addis Abeba. Araka ny fanazavany ihany dia efa betsaka ireo vahoaka sy miaramila no efa tonga saina. Tsy vitsy tokoa mantsy ireo manontany, hoy ny solombavambahoakan’Arivonimamo teo aloha, Rodin hoe mbola misy ve ny hetsika eny amin’ny Magro ? Raha mbola eo mantsy ity hetsika ity dia midika izany fa tsy mbola milamina ny eto amin’ny firenena, hoy izy. Ny zavatra tsikaritra, hoy ihany ity olom-boafidy ity dia toa tsy mety amin’ny FAT, indrindra fa i Andry Rajoelina indray ny dinika hataon’ireo mpanao politika, ny fiarahamonim-pirenena. Etsy andanin’izany dia nankasitraka ny vokatry ny dinika tany Maputo, Addis Abeba, Pretoria ireo be galona, tamin’ny fotoan’androny. Ankehitriny koa dia ambaran’izy ireo fa ny diniky ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena no lalana.

Manoloana ireo rehetra ireo moa dia fanontaniana no napetrak’ingahy Rodin ny amin’izay lalana tiana hitondrana ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Manoloana ny Dinika Santatra izay toa manelingelina ny FAT ihany dia nambaran’ny dokotera Julien fa raha tsy menatra ny Ankolafy 3 ny FAT dia tokony ho menatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ho an’i Jhonson, izay solontenan’ny Alliance demokratika moa dia nazava ny resaka.  Misamaritaka ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao politika, ny olon-tsotra, amin’izao fotoana izao, hoy izy. Rehefa nitsangana ireo nitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna tamin’ny 2009 dia nanomboka niforona koa ny antokon’olona isa-tsokajiny. “Mazava ny antsika ny tanjona dia ny fiverenan-dRavalomanana sy Ratsiraka, ny tetezamita iraisana ary ny tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina na ny TSAR” , hoy izy. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT