Anio tolakandro no hotanterahana eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonan’ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina, sy ireo mpanao politika avy ao amin’ny «Sehatra ifanakalozan-kevitry ny antoko politika», izay ahitana antoko 55 moa.
Ny filohan’ny FAT no nampiantso ity fivoriana ity, ary solontena 3 avy isaky ny antoko no nasaina. Taorian’ny fanapahan-kevitr’ireto antoko politika ireto, sy ny fampitandremana avy amin’ny FAT mba tsy hanelingelenana ny tetiandro efa napetraka, moa no hisian’izao fihaonana izao indray. Na dia tsy mazava tsara aza ny lahadinika amin’ity fihaonana anio tolakandro ity, dia azo antoka fa hiezaka ny handresy lahatra ireo mpanao politika mba tsy hanova intsony ny rafitry ny tetezamita i Andry Rajoelina. Amin’izay fotoana izay dia hiofo ho ankolafy Rajoelina amin’ny endriny vaovao ity fivondron’antoko ity ary dia ho ambohimpihaonan’izy ireo eny Iavoloha anio. Nangina toa sosoa voatapo-drano mantsy ny UDR-Fanovana, izay nivondronana antoko politika miisa 24, ka anisan’izany ny TGV sy ny AVI, taorian’ny nanaovan’i Andry Rajoelina fanambarana ny 24 mey 2010 fa tsy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ny tenany.
Na izany aza anefa dia azo adika ihany koa izao fihetsik’i Andry Rajoelina izao fa matahotra ihany ny fivondronan’ireto antoko politika maro be ireto izy ka tsy maintsy niantso fifampiraharahana. Sarotsarotra ihany koa ny hanampim-bava antoko politika 55 izany, ary vao mainka hanaratsy endrika ny fitondrana tetezamita amin’ny vahoka sy ny sehatra iraisam-pirenena ny fanakanana na fisamborana ireo mpanao politika ao anatiny. Na ahoana na ahoana mety ho fitrangany, dia azo antoka fa tsy maintsy hisy ny fifanarahana eo amin’ny FAT sy ireto mpanao politika ireto, ka vahaolana hampifangaroana ny fifanarahan’i Maputo sy ny Dinika Santatra, ary ny soso-kevitry ny mpanao politika no hamahana ny krizy fa efa nilaozan’ny toetr’andro ary tsy eken’ny rehetra intsony ny tetezamitan’ankolafy tokana misy amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.