Niseho masoandro indray rehefa tsy hita am-bolana vitsivitsy i Voninahitsy Jean Eugčne, filoha mpitarika ny antokjo RPSD vaovao. Nivatravatra avy hatrany ity mpanao politika nalaza tamin’ny fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka ity fa tsy azo ekena mihitsy ny hananganana tetezamita amin’ny endriny vaovao izany, fa tokony havela hiasa tsara ary hamita hatramin’ny farany ny tetezamita ny mpitondra misy amin’izao fotoana.
Nampitandrina ireo mpanao politika ihany koa izy mba tsy hitady irika hamiliviliana ny lalan’ny tetezamita. Amin’i Voninahitsy dia mitovy tanteraka amin’ny zava-misy tany Maputo sy Addis Abeba ny mitranga amin’ity fikaonandoha ataon’ny «Sehatra ifanakalozan-kevitry ny mpanao politika», ahitana antoko 54 ity, dia ny ady seza izany. Amin’ny filohan’ny RPSD vaovao dia efa nisy ny Dinika Santatra notanterahina isaky ny distrika, ary nahafahana nanangona ny hevitry ny rehetra, ka aleo miroso amin’ny fihaonambem-pirenena amin’izay, dia hita ao izay tapaky ny besinimaro. «Ho anay manokana dia efa nilaza izahay fa tokony hotanterahana eto ny amnistia, saingy rehefa tsy eken’ny maro an’isa moa izany dia manaiky izahay, fa izay izany no izy», hoy ihany i Voninahitsy Eugène. Mikasika ny raharaha «bois de rose» kosa dia tsotra ny hevitr’ity mpanao politika sady mpandraharaha ity manao hoe : « apetraho mazava ny lalàna mifehy an’io dia avelao hiditra amin’izany ireo mpandraharaha rehetra mazoto, fa tsy olom-bitsy foana no hahazo tombontsoa mihoapampana ». Ho an’ny mpandinika ny tontolo politika eto amintsika dia mahatakatra avy hatrany fa najoron’ny FAT indray mba hiaro ny tombontsoany manoloana ny fitsimbadihan’ny baolina tsimoramora i Voninahitsy Jean Eugène, izay efa iaraha-mahalala fa anisan’ireo mpikarama an’ady politika be traikefa eto Madagasikara.
Manomboka miala tsimoramora amin’i Andry Rajoelina mantsy ireo mpanao politika niara-dia taminy hatramin’ny 2008, koa dia naleony niantso vonjy haingana, satria mety ho ratsy, ho azy sy ny FAT ny ho tohin’ny tantara. I Voninahitsy rahateo, efa nilaza fa maro amin’ireo manodidina an’i Andry Rajoelina no mamadika azy, ka tokony hoesorina sy soloina. Koa tanteraka izany izao ny faniriany, araka ny fahitan’ny maro azy, satria izy indray no lasa mpiaro ny tetezamitan’ankolafy tokana, rehefa tsy dia hita tabilao intsony ireo mpanohana mahafatrapo an’i Andry Rajoelina toa an’i Norbert Lala Ratsirahonana sy ireo mpanao politika eo anivon’ny FAT, izay maro no miombon-kevitra amin’ireo mpanao politika maro be amin’ny tokony hanovana ny endriky ny tetezamita misy amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.