Politique

Andry Rajoelina Tsy to teny intsony !


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010


Fampihavanam-pirenena mifototra amin’ny famotsoran-keloka faobe, ny fandravana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, hirosoana amin’ny tetezamita tsy miandany handraisan’ny rehetra anjara no nisongadina tamin’ny «Dinika Santatra», izay ireo mpomba ny fitondrana ankehitriny no maro an’isa tamin’ny mpizaika. Tsikaritra, araka izany, fa manomboka mitsimbadika ny toe-draharaha satria toa tsy to teny intsony ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina satria kaikerin’ireo amboa kely tiany satria efa nametraka an-kolaka ny zavatra tsy nekeny kanefa dia ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Vokany, nampitandrina ny lehilahy, toa karazana fampitahorana sy fampihorohoroana toy ny mahazatra ary ahiana, hoy ireo mpanara-baovao fa tsy hanaiky ny hanaovana ny fihaonambem-pirenena ny tenany. Raha izao fandehany izao tokoa manko dia mety hiafara amin’ny fandravana ny FAT ny ho vokatry ny dinika rehetra hatao satria tsy hisy vahaolana afa-tsy ny fiaraha-mitantana. Mazava ho azy fa voaelingelina tokoa ny FAT tokoa raha izany no hiseho. Indrindra fa ireo mpiara-dia aminy fa tsy ny Ankolafy telo no mpandray anjara maro an’isa amin’ireo karazana dinika hoe hikaroham-bahaolana hifaranan’ny krizy. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT