• Zoma 05 Novambra 2010
Politique.Mampiaka-peo ny SECES Hikatona tanteraka ny oniversite, tsy hisy ny fanadinana ?

Tena tapa-kevitra ny hanenjana ny fitakiany ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite, mivondrona ao amin’ny SECES ka taorian’ny fivoriambe notanterahan’izy ireo omaly teny Ankatso dia niara-nanaiky ny besinimaro fa akatona tanteraka manomboka anio zoma ny oniversiten’Antananarivo ary tsy handray anjara amin’ny fikarakarana sy fanomananana ary fanatanterahana ny fanadinana fifaninanana hidirana eny amin’ny oniversite ihany koa izy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 05 Novambra 2010
Politique.Antsirabe Mandika lalàna ny mpanohana ny ENY

Miseho masoandro ankehitriny ny gaboraraka sy ny tsy fisian’ny lalàna mazava amin’ny fifidianana izay kasain’ny FAT hatao eto Madagasikara. Raha ny zava-misy ao Antsirabe mantsy dia mandeha ny fizaram-bola etsy sy eroa ataon’ireo KME,ary tsy ankifidy intsony fa saika ireo tomponandraikitra voakasika amin’izany fifidianana izany dia mihetsika avokoa.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 05 Novambra 2010
Politique.Paul Rabary Fitsapana goavana ny amin’ny 17 novambra

Tsy mahay maka lesona amin’ny tantara sy ny zavatra efa niainan’ny firenena ireo mpanao politika eto amintsika, araka ny filazan’Atoa Paul Rabary azy, izy moa dia sociologue na manampahaizana momba ny fiarahamonina raha naneho hevitra tamina onjampeo tsy miankina izy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 05 Novambra 2010
Politique.Didier Ratsiraka Mitsipaka ny fitsapan-kevi-bahoaka

Dia mbola tany an-tanin’olona indray no nahatsiaro sy nankalaza ny tsingerin-taona faha-74 nahaterahany ny amiraly Didier Ratsiraka. Tsy mbola tanteraka aloha hatreto ilay hoe tafody an-tanindrazana mialoha ny 4 novambra izy satria mbola tsy salama tsara ny zanany lahy izay tsaboina any Frantsa.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 05 Novambra 2010
Politique.Beanjara Paul – mpikambana CT Tokony hahemotra ny fifidianana ben’ny tanàna

Saika ho isan’andro no ipoiran’ireo fanehoan-kevitra maro samihafa momba ny fifidianana izay hotanterahana eto amintsika. Samy manana ny heviny moa ireo mpanao politika ary samy manana ny antony hanohanany ny heviny ihany koa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 04 Novambra 2010
Politique.Clément Ravalison – filohan’ny AME Fitsarana manokana no tokony handinika ny « amnistie »

Ho an’Atoa Clément Ravalison filohan’ny antoko Miombon’ezaka dia fitsarana manokana (tribunal spécial) no tokony handinika ny famoahana ny famotsoran-keloka na ny amnistie, fa tsy ny mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny kongresy satria olom-boatendry ireo fa tsy olom-boafdiy, mpahay lalàna no tokony handinika sy hanadihady ny fepetra amin’ny famoahana ny famotsoran-keloka fa tsy mpanao politika sy teknisianina amin’ny sehatra hafa.

Hamaky ny tohiny
FTT