Dia mbola tany an-tanin’olona indray no nahatsiaro sy nankalaza ny tsingerin-taona faha-74 nahaterahany ny amiraly Didier Ratsiraka. Tsy mbola tanteraka aloha hatreto ilay hoe tafody an-tanindrazana mialoha ny 4 novambra izy satria mbola tsy salama tsara ny zanany lahy izay tsaboina any Frantsa.
Na izany aza anefa dia tsy nanadino ny fomba fanao hatrizay ireo karamady Arema ka nifampitaona teny Anosizato niara-nisakafo sy nitafatafa ho fanamarihana izany andro nahaterahan’ny amiraly izany. Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby ka niresaka tamin’izy ireo Atoa Ratsiraka ary nitondra hafatra ho an’ny mpitondra tetezamita sy ny vahoaka Malagasy ihany koa. Nambaran’i Deba ary fa tokony hiverina amin’ny fanapahan-keviny ka hanafoana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra ho avy izao ny fitondrana tetezamita. Nanaovany antso avo manokana moa ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ny praiministra Camille Vital mba hanafoana io fifidianana io. Araka ny filazany mantsy dia tsy hitondra soa ho an’ny firenena mihitsy io fitsapan-kevi-bahoaka io fa vao mainka aza hanakorontana ny fiarahamonina Malagasy sy ny mpiray tanindrazana ka mety hitarika savorovoro.
Tsy azo atao maimaika izany fandaniana ny lalàmpanorenana izany, hoy izy ary nampatsiahiviny moa fa nanao fandaharana tamin’ny onjampeo sy ny fahitalavitra nandritra ny dimy volana ny tenany 35 taona lasa izay nanazavana ny lalàmpanorenan’ny repoblika faharoa sy ny boky mena, izay nirakitra ny fandaharan’asany. Tsy maintsy hazavaina tsara amin’ny vahoaka izany lalàmpanorenana izany, hoy ny amiraly. Mbola nanamafy ihany koa izy fa manana vahaolana 2 hahafahana mivoaka amin’izao krizy izao, azo ampiharina tsara izany raha eken’ny vahoaka Malagasy hoy izy. Amin’ny fotoana hahatongavany eto an-tanindrazana moa no hanazavany amin’ny andinindininy izany drafitra ivoahana amin’ny krizy izany. Ankoatr’izay dia niantso ireo mpikatroka Arema mba hihavana sy hifanampy ny amiraly, ary mitaky ihany koa ny hanaovana fampihavanam-pirenena tena izy. Nanome toky moa Atoa Didier Ratsiraka fa tsy maintsy tafaverina eto Madagasikara tsy ho ela izy sy ny fianakaviany. Tamin’ny herintaona tahaka izao moa dia tany Addis Abeba no nankalaza ny faha-73 taonany i Deba.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.