Ho an’Atoa Clément Ravalison filohan’ny antoko Miombon’ezaka dia fitsarana manokana (tribunal spécial) no tokony handinika ny famoahana ny famotsoran-keloka na ny amnistie, fa tsy ny mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny kongresy satria olom-boatendry ireo fa tsy olom-boafdiy, mpahay lalàna no tokony handinika sy hanadihady ny fepetra amin’ny famoahana ny famotsoran-keloka fa tsy mpanao politika sy teknisianina amin’ny sehatra hafa.
Araka ny hevitr’ity mpanao politika ity izany dia tsy tokony halefa hiadian-kevitra eny amin’ny parlemanta mihitsy ity resaka « amnistie » ity fa hananganana rafitra vaovao. Raha ny tokony ho izy anefa dia ampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny parlemanta amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa manomboka ny 19 novambra ho avy izao ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka izay tapaky ny maro an’isa nandritra ny fihaonambem-pirenena teny Ivato. Famotsoran-keloka misy sivana moa no nekena ary natokana ho an’ny vanim-potoana 2001 ka hatramin’ny 2008. Ny olana kely amin’ity resaka ity anefa dia fivoriana ara-potoana handinihana ny tetibolam-panjakana (session budgétaire) no hanomboka amin’io 19 novambra io, ka arakaraka ny fahelana na fahafainganan’ny adihevitra sy ny fandaniana ny tetibola 2011 ihany no hahafahana milaza fa afaka mandinika na tsia ny volavolan-dalàmpanorenana momba ny famotsoran-keloka ny CT sy ny CST.
Ary raha sanatria moa ka tsy ampy intsony ny fotoana dia tsy maintsy hiandry ny amin’ny volana mey indray izany ny resaka famotsoran-keloka. Ka raha izay no mitranga dia ho maromaro ihany ireo olona tsy afaka ny hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra, tahaka izany ihany koa ny amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny martsa 2011. Ary efa maro amin’ireo gadra politika efa tafavoaka ny fonja no manomboka mampiaka-peo amin’ity resaka ity satria karazana fanilihana amin’ny fomba an-kolaka azy ireo ny fampitarazohana ny famoahana ny “amnistie” araka ny filazan’izy ireo azy ary tena karazana fitaka sy fivadihana amin’ny nifanarahana teny amin’ny fihaonambem-pirenena mihitsy. Izany antony ara-potoana somary tery izany, no ilazana fa misy fahamarinany ihany ny filazan’Atoa Clément Ravalison fa tokony hatsangana ny fitsarana manokana handinika ny famotsoran-keloka , ka hiasa avy hatrany fa tsy hiandriandry lava, tahaka ny mitranga amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.