Politique

Beanjara Paul – mpikambana CT Tokony hahemotra ny fifidianana ben’ny tanŕna


  • Zoma 05 Novambra 2010

Saika ho isan’andro no ipoiran’ireo fanehoan-kevitra maro samihafa momba ny fifidianana izay hotanterahana eto amintsika. Samy manana ny heviny moa ireo mpanao politika ary samy manana ny antony hanohanany ny heviny ihany koa.

Ho an’Atoa Beanjara Paul filohan’ny antoko SFDM (Sehatra ho Fiarovana ny Demokrasia eto Madagasikara) sady mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita dia tsy tokony hahemotra intsony ny datin’ny 17 novambra hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka, satria efa nahemotra izy io raha tokony ho natao tamin’ny 20 aogositra. Midika ho tsy fahamatorana avy hatrany ny mbola hampihemorana azy amin’ny fotoana manaraka. Mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra kosa dia nambarany fa tsy mety io daty io ka tokony hahemotra.

Ankamehana loatra mantsy ilay izy no sady efa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana tanteraka amin’izany 20 desambra izany araka ny nambaran’Atoa Beanjara Paul ary tsy vitan’izay fa  ny resaka efa nifanarahan’ireo antoko politika ary neken’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato dia ny hoe tsy misy fifidianana tanterahana eo anelanelan’ny 1 desambra ka hatramin’ny 30 martsa,  izany hoe mandritra ny fahavaratra sy ny fotoanan’ny rivodoza. Tena ho sahirana ireo kandida amin’ny fampielezan-kevitra amin’izany volana desambra izany, araka ny fanazavany ka mety hisy mihitsy ireo tsy maintsy handeha lakana any amin’ny kaominina ambanivohitra maro any noho ny rano miakatra. Raha mikasika ny famahana ny krizy kosa dia nanamafy ity mpikambana ao amin’ny kongresy ity fa tsy ilaina intsony izany fifampidinihan’ny ankolafy izany, fa raha misy ny adihevitra atao dia any anatin’ny parlemanta dia ny CST sy ny CT no hanaovana izany satria izay no rafitra ara-dalàna mijoro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT