Miseho masoandro ankehitriny ny gaboraraka sy ny tsy fisian’ny lalŕna mazava amin’ny fifidianana izay kasain’ny FAT hatao eto Madagasikara. Raha ny zava-misy ao Antsirabe mantsy dia mandeha ny fizaram-bola etsy sy eroa ataon’ireo KME,ary tsy ankifidy intsony fa saika ireo tomponandraikitra voakasika amin’izany fifidianana izany dia mihetsika avokoa.
Tsikaritra ihany koa fa izay toerana azo ametrahana afisy dia rakofana avokoa, ka na io tranom-panjakana toy ny eo amin’ny Voirie ohatra, ny tambohon’ny Hotel des thermes sy ireo maro hafa manerana an’Antsirabe dia rakofana afisy ENY daholo. RAha ny tokony ho izy sy araka ny lalàna anefa dia efa misy isaky ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika nytoerana manokana ametrahana ny afisin’ny propagandy Asa aloha raha misy ihany izany vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana izany na tsia fa raha ny zava-misy dia mivandravandra ny fandikan-dalàna ao Antsirabe tampon-tanàna. Ho an’ny olona ao Antsirabe dia toy ny tsy misy ny fifidianana amin’ny 17 novambra, ka mety ho izay angamba ny antony maha may volon-tratra ny mpitondra FAT ary tsikaritra fa isan-kerinandro dia re fa misy ministra mitsidika matetika any an-toerana.
Ankoatra izay dia tambazana vola ireo sefo fokontany ao Antsirabe mba hitaona ny olona hifidy sy hampandany ny ENY ary efa nampanantenaina tambin-karama efa-bolana, saingy tsy mbola voaray izany hatramin’izao ary dia mbola re ihany koa fa hoentina hitsangatsangana miaraka amin’ny lehiben’ny distrika indray mialoha ny fifidianana izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.