Tena tapa-kevitra ny hanenjana ny fitakiany ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite, mivondrona ao amin’ny SECES ka taorian’ny fivoriambe notanterahan’izy ireo omaly teny Ankatso dia niara-nanaiky ny besinimaro fa akatona tanteraka manomboka anio zoma ny oniversiten’Antananarivo ary tsy handray anjara amin’ny fikarakarana sy fanomananana ary fanatanterahana ny fanadinana fifaninanana hidirana eny amin’ny oniversite ihany koa izy ireo.
Efa nisy ihany koa ny karazana fivoriana tahaka an’io tany amin’ireo oniversite enina hafa manerana ny nosy ary ho fantatra tsy ho ela ny fanapahan-kevitra fa raha ny fahitana ny zava-nitranga tato anatin’ny herinandro tahaka ny tany Antsiranana sy Toliara aloha dia azo antoka fa hanara-dia ny fanapahan-kevitry ny SECES sampana Antananarivo ihany koa ny any amin’ny faritra hafa. Izany hoe hikatona tanteraka manomboka amin’ny faran’ity herinandro ity ireo oniversite enina manerana an’i Madagasikara. Tsy milefitra ary tsy hilefitra amin’ny fitakiany mihitsy ireo mpampianatra mpikaroka, raha narahana tsara ny fanazavan’izy ireo, tsy filam-banona mihitsy ny anay fa fitakiana ny fampiharana ny zavatra efa neken’ny fanjakana. Izay izany vao tena hikatso tanteraka ny oniversite, ka sady tsy hisy ny fanadinana famaranana ny taom-pianarana, no tsy hisy ny fanadinana hidirana eny, ary mbola baraingo hoe rahoviana ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2010 – 2011.
Nanamarika anefa ny filoha lefitry ny oniversiten’Antananarivo Atoa Jean Eric Rakotoarisoa fa misy ihany ireo mpampianatra mbola mampianatra na dia eo aza izany fitokonan’ny SECES izany. Misy vondrona mpianatra ihany koa manomboka mitaky ny hanatanterahana ny fanadinana amin’izao fotoana ary manao antso avo amin’ny SECES sy ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony ary ny fitondram-panjakana mba hikaroka miaraka ny vahaolana ary tsy hanaovana sorona lava izao ny mpianatra. Tsy ho mora anefa izany satria efa namoaka fanambarana mitaky ny hialan’ny ministra Tongavelo Athanase ny 2 novambra lasa teo ny SECES. Atoa minisitra anefa dia mbola nanamafy indray omaly fa tsy hanaiky ny hametra-pialana izany mihitsy ny tenany raha tsy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina no miteny aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.