Tsy mahay maka lesona amin’ny tantara sy ny zavatra efa niainan’ny firenena ireo mpanao politika eto amintsika, araka ny filazan’Atoa Paul Rabary azy, izy moa dia sociologue na manampahaizana momba ny fiarahamonina raha naneho hevitra tamina onjampeo tsy miankina izy.
Raha ny filazany dia efa maro ireo zavatra hita fa tsy nety teto amin’ny firenena eo amin’ity sehatry ny fanaovana politika ity, kanefa toa tsy mahatadidy izany ny ankamaroan’ireo mpanao politika fa mbola mamerina ny tsy mety ihany. Ho an’ity sociologue ity ihany koa dia karazana mari-pamantarana (indicateur) lehibe ho an’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny fitondrana tetezamita manokana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra ho avy izao. Ho hita eo mantsy raha toa ka ankatoavin’ny vahoaka mpifidy na tsia iny tolo-kevitry ny fitondrana tetezamita izay miseho amin’ny alalan’ilay volavolan-dalàmpanorenana. Misarika ny sain’ny rehetra anefa Atoa Paul Rabary fa misy ihany ireo lafiny ara-teknika manjavozavo amin’ity resaka ity. Ny lalàna mifehy ny fifidianana, ohatra, dia tsy mbola misy mahalala ny momba azy, ary tsy misy mihitsy ny fanentanana na fampahafantarana ilay izy, na dia efa nilaza aza ny tao amin’ny CENI fa misy ny andinin-dalàna momba izany.
Araka ny fahitany azy ihany koa dia tsy mety loatra ity hoe mpikambana ao amin’ny governemanta manao fanentanana etsy sy eroa mitety faritra ity, mandritra ny fampielezan-kevitra satria lasa mifangaro ilay resaka ary karazan’ny manery an-kolaka ny olona hifidy ny Eny ireo manampahefana manao fanentanana ireo. Na izany aza anefa dia tsy anisan’ireo mieritreritra ny tokony hampihemorana ny fitsapan-kevi-bahoaka Atoa Paul Rabary, tokony hotanterahana izy io mba ahitana ny tena marina, araka ny nambarany. Raha tsorina ny resaka dia kihon-dalana goavana amin’ny fiainan’ny firenena io 17 novambra io ary iankinan’ny fanapahan-kevitra rehetra horaisina ho fiampitana any amin’ny repoblika faha-4.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.