• Alatsinainy 04 Aprily 2011
Politique.Jean Michel Henri Mampirisika an-dRajoelina hirotsaka hofidiana ny TGV

Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’i Jean Michel Henri, Kestora voalohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny antoko TGV manodidina ny fanangonan-tsonia hanonganana ny birao maharitry ny Kongresin’ny tetezamita, ny governemanta vaovao ary ny fifidianana rehetra ho avy. Tafatafa.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aprily 2011
Politique.Legalista Antsirabe Mitaky ny hisian’ny fanehoan-kevitra malalaka

Fotoam-pivavahana tsotra no nentin’izy telo mianadahy mpitari-tolona tao Antsirabe dia, ny depioten’Antsirabe I teo aloha, Rakotomiandrisoa Jean Ernest, Randrianarison Olivier, sefo fokontany ary Sahondranirina Jeanne Aimée, talen-tsekoly, nisaorana an’Andriamanitra noho ny nivoahan’izy ireo ny fonja ny sabotsy 02 aprily teo, tao amin’ny fiangonana FLM Antsirabe.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aprily 2011
Politique.Manandafy Rakotonirina «Miditra dingana vaovao ny tolona»

Mitohy ny ezaka fa tsy mbola vita teo amin’ny Troika ny tolona, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Manandafy Rakotonirina tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 02 aprily teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aprily 2011
Politique.Hoavin’i Madagasikara Ho fantatra amin’ny 8 aprily

Nampahafantatra ny vahoaka malagasy sy ireo mpiara-dia aminy tonga tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 2 aprily teo nandritra ny tafa an-tariby nivantana niainga avy atsy Afrika Atsimo, Atoa Marc Ravalomanana fa hiverina hihaona indray amin’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny Vondrona SADC manomboka amin’ity anio alatsinainy ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aprily 2011
Politique.Printsy Elakovelo «Tsy manaiky hosoka ny Fianakaviambe iraisam-pirenena»

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra manodidina ilay fehin-kevitry ny Troika SADC nivory tany Livingstone Zambia ny 31 martsa teo, nandinihana ny raharaha Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
FTT