Politique

Legalista Antsirabe Mitaky ny hisian’ny fanehoan-kevitra malalaka


  • Alatsinainy 04 Aprily 2011

Fotoam-pivavahana tsotra no nentin’izy telo mianadahy mpitari-tolona tao Antsirabe dia, ny depioten’Antsirabe I teo aloha, Rakotomiandrisoa Jean Ernest, Randrianarison Olivier, sefo fokontany ary Sahondranirina Jeanne Aimée, talen-tsekoly, nisaorana an’Andriamanitra noho ny nivoahan’izy ireo ny fonja ny sabotsy 02 aprily teo, tao amin’ny fiangonana FLM Antsirabe.

Nandritra ny tafa fohy nifanaovana tamin’izy ireo no nanararaotany nisaorana ireo vahoaka maro tsy nanadino ary nankahery azy ireo nandritra ny nitazonana azy ireo tany am-ponja, indrindra tamin’ny fanohanana ara-tsaina. Na izany aza dia nahatsapa koa izy ireo fa na teo aza ny tsindry noho ny politika dia niasa ankalalahana ny fitsarana ka afaka namoaka iny didy iny. Nanamarika ihany koa ny Depiote Ernest fa tsy nikasa hanakorontana ao Antsirabe ny tenany ary nandritra ny roa taona dia fanehoan-kevitra hatrany no nataon’izy ireo tao amin’ny Magro, ary takian’izy ireo hatrany ny hisian’ny fanehoan-kevitra malalaka eto Madagasikara ka ialana amin’ny fisamborana toy ny nahazo azy teo.

Taorian’ny fotoana moa dia teny an-kianjan’ny Magro Avaratsena indray izy ireo no nifamotoana tamin’ireo mpiara-mitolona io sabotsy io satria dia mbola mitohy hatrany ny fitakiana amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ary ahafahany milatsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary koa ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika rehetra.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT