Politique

Manandafy Rakotonirina «Miditra dingana vaovao ny tolona»


  • Alatsinainy 04 Aprily 2011

Mitohy ny ezaka fa tsy mbola vita teo amin’ny Troika ny tolona, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Manandafy Rakotonirina tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 02 aprily teo.

Miditra amin’ny dingana vaovao ny tolontsika manomboka izao, hoy ity mpiara-mitantana ny ankolafy Ravalomanana ity. Nambarany fa raha ilaina dia hanomana sori-dalana vaovao izy ireo hoentina hodinihina mandritra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC hatao ato ho ato hasolo ny an’ny Dr Leonardo Simao. Raha ny tokony ho izy dia eto Madagasikara no hanaovana sonia farany ny sori-dalana ifanarahana farany eo hivoahana amin’izao krizy izao, araka ny fanazavany hatrany. Mandra-pahatonga izay dia nanentana ny Ankolafy telo, indrindra ireo mpiara-dia aminy ity Praiministra farany notendren’i Marc Ravalomanana, tamin’ny aprily 2009 ity, ho tonga maro hatrany ao amin’ny Magro hanamafy ny tolona. “Manangana demokrasia isika no eto”, hoy izy, ary “raha tsy nisy antsika dia efa nosiosen’ny olon-dratsy, mpandroba fahefana, ny firenentsika”. Nanamafy izay nambarany ny senatera Tiako I Madagasikara teo aloha, Ramamonjisoa Benjamin, niantso ny hanambarana ny hery fa “efa an-dalam-pandresena isika”. Mila mitandrina anefa, hoy izy satria tsy hahafaly ny andaniny izany, izy ireo izay miezaka ny hampisaratsaraka antsika.

Nangonin’i Jean D.

Sary : Manandafy Rakotonirina tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 02 aprily

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT