Politique

Tonton Ambroise Miantso ireo filoha telo hitory eo anivon’ny Tribonaly iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 04 Aprily 2011


Mihevitra ny antoko Front Républicain Démocratique Légaliste na FRDL, tarihin’i Tonton Ambroise fa matoa ny Troika SADC nanamafy, ao amin’ny andininy faha-6, amin’ny fehin-kevitra navoakany nandritra ny fivoriana tao Livingstone Zambia ny 31 martsa teo, ny fehin-kevitra efa noraisiny tao Lozitha Botswana tamin’ny 30 martsa 2009, dia mazava fa tao anatin’ny tsy fanajana ny demokrasia no nananganana izao fitondrana izao. Manameloka ny fakana fahefana tsy manaraka ny lalàmpanorenana nataon’i Andry Rajoelina, ka tsy nankatoavan’ny SADC mandrak’ity ny anio ny fitondran’ity farany, ary mbola niantsoan’ny SADC izao tontolo izao tsy hankato izany ka hanerena ireo mpanongam-panjakana hiverina amin’ny ara-dalàna, ny votoatin’io andininy faha-6 amin’ny fehin-kevitra tao Livingstone Zambia io, hoy Rakotondramanana Désiré, Sekretera jeneralin’ny FRDL.

Manoloana izany dia miantso ireo filoham-pirenena telo, voafidim-bahoaka, hitondra ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena any La Haye, ny FRDL. Nambaran-dRakotondramanana Désiré fa tsy manakana ny dinika fikatsaham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy izany, fa tokony hatao kosa, ary fotoana izao, mba hamafana ho ohatra ratsy amin’ny tantaran’ny demokrasia aty Afrika, indrindra ato anivon’ny SADC.

Nangonin’i Jean D.

Sary : Rakotondramanana Désiré, Sekretera jeneralin’ny Front Républicain Démocratique Légaliste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT