Politique

Printsy Elakovelo «Tsy manaiky hosoka ny Fianakaviambe iraisam-pirenena»


  • Alatsinainy 04 Aprily 2011

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra manodidina ilay fehin-kevitry ny Troika SADC nivory tany Livingstone Zambia ny 31 martsa teo, nandinihana ny raharaha Madagasikara.

Tsiahivina fa nanamafy ny fehin-kevitra noraisiny tamin’ny 30 martsa 2009 ny Troika, manameloka ny fakana fahefana ivelan’ny lalàmpanorenana, tsy mankato ny fitondran-dRajoelina ary miantso ny iraisam-pirenena hanery ireo mpandroba fahefana hiverina amin’ny ara-dalàna. Ho an’ny Printsy Elakovelo dia miharihary amin’ireny fehin-kevitry ny Troika ireny fa tsy manaiky hosoka na koa soloky fahefana ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mpikambana Arema, fantatra amin’izy mivantambatam-piteny ny Printsy Elakovelo, tsy nivilivily izy nilaza fa “ny mety amin’ireo mpitondra ankehitriny, dia ny mametra-pialana ka manao mbay lalana, fa ny tany tan-dalàna dia manaja ary mampanjaka ny demokrasia”. Hentitra ny teniny nilaza fa dia tsy hijanona ny tolom-bahoaka, ary tsy hiato izany raha tsy miverina ny ara-dalàna, manjaka eto Madagasikara ny demokrasia ary malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny haino aman-kery.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT