Politique

Hoavin’i Madagasikara Ho fantatra amin’ny 8 aprily


  • Alatsinainy 04 Aprily 2011

Nampahafantatra ny vahoaka malagasy sy ireo mpiara-dia aminy tonga tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 2 aprily teo nandritra ny tafa an-tariby nivantana niainga avy atsy Afrika Atsimo, Atoa Marc Ravalomanana fa hiverina hihaona indray amin’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny Vondrona SADC manomboka amin’ity anio alatsinainy ity.

Ny hampahafantatra azy ireo ny zava-misy marina eto Madagasikara, ary koa hanamafy ny tolo-kevitra miendrika sori-dalana heverin’ny ankolafy telo hivoahana amin’izao krizy izao no antony, araka ny fanazavany. Nanamafy indray ny filoha Ravalomanana tamin’io fotoana io fa notsipahin’ny Troika ny sori-dalana vita rangopohy teny Ivato ary tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany io governemanta mijoro io, ary izay no niantsoan’ny Troika maika fivoriana tsy ara-potoanan’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC handinika lalina ka handray fanapahan-kevitra momba ny raharaha Madagasikara.

Izay ihany koa no voalazan’ny gazety mpivoaka isaka ny alahady atsy afrika tatsimo, The Sunday Times, nivoaka omaly 03 aprily, raha nitatitra ny vokatry ny fivorian’ny Troika tany Livingstone Zambia ny 31 martsa teo.  Isan-taona rehefa volana aogositra na septambra no fivoriana ara-potoanan’ny SADC saingy noho ity raharaha Madagasikara ity, dia hivory maika izy ireo. Io fiantsoana fivoriana maika io dia manaporofo, hoy hatrany ny filoha Ravalomanana, fa zava-dehibe loatra eo anatrehan’ny SADC ny hahitana vahaolana iraisana handaminana ity krizy ity. Ny raharaha Madagasikara irery, araka ny nambarany, no lahadinika amin’io fivoriana io. Araka ny resaka mandeha dia mety ho amin’ny 8 aprily no hanatontosana io fivoriana io. Izay tapaka eo no hamaritra ny hoavin’i Madagasikara, na hilamina amin’izay na vao mainka hisavoritaka eto.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT