Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’i Jean Michel Henri, Kestora voalohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny antoko TGV manodidina ny fanangonan-tsonia hanonganana ny birao maharitry ny Kongresin’ny tetezamita, ny governemanta vaovao ary ny fifidianana rehetra ho avy. Tafatafa.
Tia Tanindrazana (T.T) : Mby aiza izao ilay fanangonan-tsonia hikasana hanonganana anareo birao maharitry ny Kongresin’ny tetezamita Atoa Kestora ?
Jean Michel Henri (J.M.H) : Mbola hamafisiko ny voalazan’ny Kestora faharoa eto amin’ny Kongresy sy ny filoha lefitra misolotena an’i Fianarantsoa taminareo gazety Tia Tanindrazana fa tsy tonga aty aminay ary tsy mbola hitanay izany taratasy fanangonan-tsonia hikasana hanonganana ny birao maharitra izany. Resaka tsy fifankahazoan-kevitra teo amin’ireo mpikamban’ny Kongresy vitsivitsy sy ny minisitry ny toekarena no niteraka savorovoro kely satria nisy namadika fa hoe efa voarain’ny birao maharitra ny vola nefa tsy nozaraina. Resaka ambim-bola telo karazana no fototry ny disadisa. Efa voaray anefa izao ny ampaham-bola ka miroso amin’ny fandoavana ny saran-dalana tamin’ny fanatrehana ny fivoriana ara-potoana farany ireo tsy nahazo izany. Ireo ambim-bola roa hafa “indemnité de logement” sy 300 000 ariary avy amin’ny minisitera dia efa nambarany fa hefaina avokoa rehefa milamindamina ny fandaminana eny anivon’ny governemanta vaovao.
T.T : Ary ny fifandraisanareo ao amin’ny birao maharitra ?
J.M.H : Resaka fotodrafitrasa tsy omby ireo mpikambana tonga hivory no misy ka efa mijery izay vahaolana amin’izany ny birao maharitra. Samy manana ny antoko politika misy azy avy izahay 9 mianadahy mpikambana ao, tsy misakana ny fikaonan-dohanay handinika ny lalàna hirosoana amin’ny fialana amin’ny krizy izany. Ny toe-tsaina firaha-mientana sy fitiavan-tanindrazana no mibaiko anay rehetra ka ny fandaniana ny lalàna rehetra hirosoana amin’ny Repoblika faha-4 no tanjona hitambarana.
T.T : Ahoana ity governemanta tsy misy TGV ity ?
J.M.H : Ambarako fa tsy misy mpikambana tena mpitolona TGV ao amin’io governemanta vaovao io nefa ireo ao anatiny dia ireo niara-nikaon-doha hialana amin’izao krizy izao daholo. Olona hetsehin’ny fahatsoram-po ireo, malahelo an’ity firenena ity hoe manankarena nefa mahantra foana ka vonona hanarina izany. Tsy malahelo an’izany hoe tsy misy tafiditra minisitra izany izahay TGV satria te hampiseho izahay fa miova amin’ny fomba nataon’ireo mpitondra teo aloha ka tsy mibodo toerana ary tsy hiady seza. Efa ampy anay ny filoha mpanorina ny antoko Andry Nirina Rajoelina tafapetraka amin’io toerana misy azy io. Mampirisika azy hilatsaka ho kandidàn’i TGV izahay amin’ny fifidianana filoham-pirenena fa ilain’ny firenena izany ary tsy afaka miasa ara-dalàna koa izy raha tsy voafidy amin’izany toerana izany. Marihiko fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy izahay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.