• Alakamisy 28 Aprily 2011
Politique.Ankolafy Telo - «Annonce solennelle» Voasonia tao Toamasina, vosakana ny tao Manakara

Fikambanana politika sy fikambanana ara-tsosialy miisa 17, ahitana ny Crn, Rjt, Jbu, Zatovo, Fizamato, Andriambo, Jerin’ny maro, Gtf, Gajeb, Maf, Afam, G5, Fmjc, Ffv, Juf, Fizaramito, Tolom-bahoaka Mijaly no manohana ilay Fanambarana ampahibemaso na «Annonce solennelle» nataon’ny Ankolafy telo ka nanamafy izany tamin’ny alalan’ny sonia tao Toamasina.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 28 Aprily 2011
Politique.Mpanolotsain’ny tanàna Atao fitaovana hanonganana ny PDS ?

Miteraka adihevitra sy resabe hatramin’izao ny nanomezan’ny minisitry ny fanapariaham-pahefana sy fanajariana ny tany latabatra sy seza ho an’ireo mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ka nahatongavany teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny zoma nialoha ny Paska teo, nanararaotra ny fotoana tsy nahateto an-toerana ny PDS na filohan’ny delegasina manokan’ny tanànan’Antananarivo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aprily 2011
Politique.Lehiben’ny Faritra Hosoloina amin’izay ?

Hatramin’ny nanovana ny governemanta farany teo dia nisy ny siosion-dresaka ny amin’ny hanalana lehiben’ny Faritra maromaro izay ambara fa tsy mahavita ny asany araka ny tokony ho izy sy manararao-pahefana ka manaratsy endrika ny fitondrana tetezamita sy mihinam-bolam-bahoaka fotsiny.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 27 Aprily 2011
Politique.Fitondrana tetezamita Hanao hetsika ara-diplaomatika goavana ?

Miandry izay olona hotendrena hanolotsaina manokana ny filohan’ny FAT amin’ny resaka diplaomasia ny rehetra amin’izao fotoana, taorian’ny nivoahan’io vaovao io ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny
FTT