Politique

Lehiben’ny Faritra Hosoloina amin’izay ?


  • Alarobia 27 Aprily 2011

Hatramin’ny nanovana ny governemanta farany teo dia nisy ny siosion-dresaka ny amin’ny hanalana lehiben’ny Faritra maromaro izay ambara fa tsy mahavita ny asany araka ny tokony ho izy sy manararao-pahefana ka manaratsy endrika ny fitondrana tetezamita sy mihinam-bolam-bahoaka fotsiny.

Araka ny fantatra dia 13 ireo lehiben’ny Faritra mety hoesorina, ka hosoloina olom-baovao mitovy fomba fijery tsara amin’ny fitondrana tetezamita sy ny mpitarika azy. Tsy mbola fantatra kosa anefa hatramin’izao ny fotoana mety handraisana izany fanapahan-kevitra izany. Raha ny tapaka teny amin’ny fihaonambem-pirenena Ivato tamin’ny septambra 2010 aloha dia izy 22 mihitsy no hosoloina. Tsy nanisy setriny an’izany mandrak’ity ny anio anefa i Andry Rajoelina satria fantany tsara fa hiteraka olana ho azy sy ny fitondrana tarihany any amin’ny faritra ny fanesorana lehiben’ny Faritra na dia iray monja aza. Mahalala tsara anefa ny filohan’ny FAT, araka ny tatitra tonga eo am-pelatanany, fa tena misy mihitsy ireo lehiben’ny faritra manararao-pahefana any amin’ny faritra misy azy any ka mampitombo ny alahelom-bahoaka. Ao anatin’ity fanitarana ny andrim-panjakana sy fisokafana ambara fa irosoan’ny FAT ity indray no andrasana na handray fanapahan-kevitra hanolo lehiben’ny Faritra na hitazona ny efa eo ity fitondrana ity.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT