Miandry izay olona hotendrena hanolotsaina manokana ny filohan’ny FAT amin’ny resaka diplaomasia ny rehetra amin’izao fotoana, taorian’ny nivoahan’io vaovao io ny faran’ny herinandro teo.
Hita tokoa mantsy tao anatin’izay roa taona mahery kely izay fa narefo dia narefo tokoa ny fifampiresahana sy fandresen-dahatra ny any ivelany nataon’ny fitondrana tetezamita, izay araka ny fahitan’ny maro azy dia tsy nahalala vazaha afa-tsy ny Frantsay. Ankehitriny, taorian’ny fahavitan’ilay sori-dalan’ny SADC vao nikorapaka i Andry Rajoelina fa hay tena ilaina ihany ny fananana diplaomasia matanjaka satria anisan’ny lalana hahafahana manafaingana ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena sy hiverenan’ny fanampiana izy io. Nihazakazaka tamin’ny fanesorana ireo masoivohontsika sasany tany ivelany notendren’ny fitondrana teo aloha ny FAT, ka mpiandraiki-draharaha no nisolo vonjimaika ny toeran’izy ireo noho ny tsy fahafahan’ny fanjakana manendry masoivoho noho ny tsy mbola maha ara-dalàna azy eo aminy sehatra iraisam-pirenena.
Raha ny hita sy tsapa anefa dia tsy nivaingana ny asa nataon’ireo tompon’andraikitry ny masoivohontsika any ivelany ireo mba handresena lahatra ireo firenena matanjaka ny hiara-kiasa amin’ny fitondrana tetezamita. Marina ve fa niasa ihany izy ireo saingy tsy hahafehy tsara ny zavatra tokony ho nataony ka tsy nahazo vokatra tsara ? Miditra amin’ny dingana manaraka, izay tsy ho mora ny FAT amin’izao fotoana dia ny fandresen-dahatra ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena fa efa miroso amin’izay ny dia eto Madagasikara ka ny fanatanterahana fifidianana no tanjona manaraka, tsy maintsy hitety izao tontolo izao, tahaka ny nataon’i Marc Ravalomanana ny taona 2002 ka hatramin’ny 2006 arak’izany i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy raha te hahazo ny fankatoavana izay midika fa fiverenan’ny fanampiana ara-bola sy ireo fanohanana maro samihafa avy any ivelany.
Raha ny tena marina dia tokony ho efa tamin’ny 2009 no nanao izany ny fitondrana tetezamita, saingy noho ny tsy fahamatorana teo amin’ny fitantanana angamba no nahatonga ny FAT hihondikodina am-pitoerana nandritra izay roa taona izay, araka ny tombantomban’ny mpanara-baovao politika. Ao ihany koa ireo mahita fa mety efa tapi-dalan-kaleha i Andry Rajoelina sy ny Frantsay manohana azy ka tsy maintsy nitady paik’ady vaovao raha tsy te ho difotry ny fahasahiranana sy ny fitakiana ary fitokonana etsy sy eroa izay raha mbola mitohy dia hiteraka korontana ara-tsosialy goavana eto. Mety azo adika fa ho tsy fahatokisana ny minisitry ny raharaham-bahiny koa anefa ity hoe fanendrena mpanolotsaina manokana ny filohan’ny FAT amin’ny resaka diplaomasia ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.