Politique

Pasitera Edouard Tsarahame “Tsy misy miala eto fa samy mijinja izay nafafiny !”


  • Alakamisy 28 Aprily 2011


Efa voatsidika tao amin’ny Magro Behoririka sahady omaly ny amin’ny fankalazana ny Fetin’ny Asa 1 mey 2011. Nametraka ny ahiahiny ny amin’izany ny mpitari-tolona Jeanson raha nilaza fa : “tsy mila fangatahana ny 1 mey fa hetsika maneran-tany io”. Manana andro roa manan-tantara amin’ny firenena io volana hiserana io. Tsy mila misalasala isika ary tsy mifidy andro ny torolalana eto an-kianja».

«Ny asa no maha olombelona ka hivondrona miaraka amin’ny rehetra isika amin’ny 1 mey. Dingana iray amin’ny tolona koa io», hoy ny senatra Jean Louis Rakotoamboa nanohy izany. Fampaherezana ny mpitolona kosa no nataon’ny Pasitera Edouard : «Tsy avelantsika raha tsy azontsika ny zavatra takiantsika, tsy maintsy hahatratra ny tanjony ny Ankolafy 3. Efa hitanay ny famoretana, ny fisamborana sy ny fonja, ny fitondrana sisa ary ho azo io. Tandremo ianao mivezivezy io sao mitady toerana hipetrahana rehefa ratsy ny toe-draharaha eto fa tsy misy miala eto ary samy mijinja izay nafafiny».

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT