Politique

Leader Fanilo Diso fanantenana amin’ny zava-misy


  • Alarobia 27 Aprily 2011


«Tsy afa-po amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena izahay. Tsy hisy akony amin’ny fiainam-pirenena ny fampitomboana isa ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita», hoy Rakotomavo Alain, Sekretera jeneralin’ny antoko Leader Fanilo. Raha nisy Antenimiera voafidy ara-dalàna teto, hoy izy, dia ireo no miantso sy manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka fa ny misy amin’izao dia olom-boatendry, hoy ity mpanao politika ity. Olom-boatendry fa tsy olom-boafidy no ao.

Tsy manao ny asany fa ny seza no mahamaika azy ireo. “Ny ao aza tsy manao ny asany koa hampitomboina hatao inona indray ?”, hoy ihany ny sekretera jeneralin’ny Leader Fanilo ity. Ny vahoaka no tokony hatrehina fa tsy ny famalifalian’ireo mpanao politika hafa, hoy Rakotomavo Alain. Nambarany moa fa dia mila miverina amin’ny tena izy ny firenena fa ampy izay tetezamita izay.

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT