Fikambanana politika sy fikambanana ara-tsosialy miisa 17, ahitana ny Crn, Rjt, Jbu, Zatovo, Fizamato, Andriambo, Jerin’ny maro, Gtf, Gajeb, Maf, Afam, G5, Fmjc, Ffv, Juf, Fizaramito, Tolom-bahoaka Mijaly no manohana ilay Fanambarana ampahibemaso na «Annonce solennelle» nataon’ny Ankolafy telo ka nanamafy izany tamin’ny alalan’ny sonia tao Toamasina.
Voakasik’ity fanaovan-tsonia ity koa ny tany Mananara Avaratra, Maroantsetra, Fenoarivo Atsinanana ary Vavatenina. Nampahafantarina ny mpanao gazety ny talata tolakandro teo tao Ankirihiry Avaratra ny fahavitan’izany. Nambaran’i Kotomanantsoa Rémi, mpiara-mitarika ny Ankolafy telo Toamasina fa noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena, sy ny fahatsapana fa mikatso ny raharaham-pirenena no naha resy lahatra ireo fikambanana ireo. Maro kosa no resy lahatra tao Manakara saingy nosakanana tsy hanatanteraka izany tao amin’ny Sidi Hotel ny sabotsy teo. Araka ny tatitra an-tsoratra nataon’ny Ankolafy Madagasikara Vatovavy Fitovinany, izay namparitak’izy ireo amin’ny masoivohom-pirenena vahiny sy raiamandreny eto amin’ny firenena toy ny FFKM, dia nahazo fandrahonana avy amin’ny lehiben’ny Faritra ny tompontrano ka tsy afa-nanoatra ary nanala azy ireo tamin’ny trano sady namerim-bola.
«Ny hisian’ny tena fitoniana sy fampihavanam-pirenena marina hialana amin’ny krizy sy ny tsy hiverimberenany eto amintsika, ny fampijoroana ny tetezamita tena izy, iarahan’ny rehetra mitantana sy eken’ny daholobe ary hanomana fifidianana madio sy tena mangarahara marina, ny hisian’ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo lehiben’ny ankolafy tsirairay avy, miampy ireo vondrona politika hafa manana ny maha izy azy handinika ny fivoahana amin’ny krizy, ary ny fahavononan’ny ankolafy tsirairay, hiroso miandalana eo ambany fitarihan’ny Pr Zafy Albert amin’ny fananganana ny tetezamita tena izy sy eken’ny besinimaro», no votoatin’ity «Annonce solennelle» ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.