Politique

Mpanolotsain’ny tanŕna Atao fitaovana hanonganana ny PDS ?


  • Alakamisy 28 Aprily 2011

Miteraka adihevitra sy resabe hatramin’izao ny nanomezan’ny minisitry ny fanapariaham-pahefana sy fanajariana ny tany latabatra sy seza ho an’ireo mpanolotsain’ny tanŕnan’Antananarivo ka nahatongavany teny amin’ny Lapan’ny tanŕna Analakely, ny zoma nialoha ny Paska teo, nanararaotra ny fotoana tsy nahateto an-toerana ny PDS na filohan’ny delegasina manokan’ny tanŕnan’Antananarivo.

Ho an’ny mpiasa eo anivon’ny Kaominina dia tsotra ny resaka, tsy ny latabatra sy ny seza no maika satria efa manana teti-bola ho amin’izany ny Kaominina. Raha manam-bola ihany ny ministera, hoy izy ireo, dia ny volan’ny Kaominina amina miliara nolaniana tamin’ny famitana ny Lapan’ny tanàna, nahafahana nanatratra ny fitokanana ny fotodrafitrasa tamin’ny 11 desambra 2010 no tokony haveriny fa tsy giazana. Ho an’ny mpanadihady politika dia tetika hanaovana fitaovana politika ireo mpanolotsain’ny tanàna ity raharaha ity. Mandeha rahateo ny resaka fa efa mikenonkenona izay fomba hampihenana ny fahefan’ny PDS na koa hanesorana amin’ny toerany azy mihitsy ireo mpamatsy ara-bola sy ara-pitaovana ny mpanolotsaina monisipaly. Maro amin’ireto farany anefa no manakiana ny kaskety roa ananan’ny filoha am-perinasan’ny mpanolotsaina monisipaly izay sady mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ihany koa.

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT