• Alarobia 29 Jona 2011
Politique.Mompera Pedro Opeka Mandatsa ny Malagasy !

Niteraka resabe ary tsy nahafaly ny Zanak’i Dada ny fanehoan-kevitry Mompera Pedro Opeka, tao amin’ny gazety vahiny La Croix ary notaterin’ny gazety mpiseho isan’andro iray teto an-drenivohitra omaly talata 28 jona, milaza fa tsy mbola tokony hiverina eto aloha ny filoha Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Jona 2011
Politique.Nahoana hoy ianareo ?

Nahoana hoy ianareo no dia tsy misy fitsarana mihitsy ny zavatra tsy mety vitan’ny fitondrana ankehitriny fa dia ny taloha foana no dradradradraina manerana ity vazantany ity ?

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Jona 2011
Politique.Andry Nirina Rajoelina Te ho Mpanjaka tahaka an-dRadama I ?

Tsy fifanandrifian-javatra intsony kosa angamba fa efa niniana natao mihitsy ny fomba fiakanjon’ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina izay manakaiky ny fomba fitafin’ny mpanjaka Radama I.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Jona 2011
Politique.Vondrona Afrikanina Mahavaha ny olan’i Afrika marina ve ?

Mitaky ny hanohizana ny fifampidinihana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany mifanolana mba hahitana vahaolana amin’ny krizy any Libia ny Vondrona Afrikanina taorian’ny fivorian’ireo filoham-panjakana 5 tatsy Pretoria Afrika Atsimo ny sabotsy sy alahady lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Jona 2011
Politique.Fanelanelanana amin’ny krizy “Manampahaizana tsy miandany alefa aty !”, hoy ny Alliance des OSC

«Ankasitrahana ny vahaolana naroson’ny SADC toy ny tsy miantsy hiraisana sy tenierana, tsy ilaina ary tsy mety kosa anefa ny fisiana taratasy toy ilay nataon’ny Dr Salomao, tsy mifanaraka amin’ny fehin-kevitr’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC sy ny fanambaran’ingahy Simao teny am-pahatongavana teny Ivato fa vao mainka manakorontana. Manampahaizana manokana tsy miandany no tokony halefan’ny Sadc aty».

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Jona 2011
Politique.Gisèle Rabesahala Nodimandy omaly teo amin’ny faha-82 taonany

Banga ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy ny tontolo politika Malagasy amin’ny ankapobeny. Lavo ny andrarezina.

Hamaky ny tohiny
FTT