Tsy fifanandrifian-javatra intsony kosa angamba fa efa niniana natao mihitsy ny fomba fiakanjon’ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina izay manakaiky ny fomba fitafin’ny mpanjaka Radama I.
Mpanjaka voalohany nifandray tamin’ny vahiny sy neken’izy ireo fa mpanjakan’i Madagasikara, nanjaka teo anelanelan’ny 1810 sy 1828 ity zanak’Andrianampoinimerina lahiaivo ity. Tsaroana eto ny fomba fiakanjon’ny filohan’ny FAT tamin’ny 11 desambra 2010, nandritra ny nanambarana ny nahaterahan’ny Repoblika fahefatra sy ny nitokanana ny Lapan’ny tanàna teo Antananarivo renivohitra ary ny alahady 26 jona teo. Samy miara-manaiky ny rehetra fa tsara ny fanajana ny maha Malagasy fa eo ihany ireo miahiahy fa te hamerina ny fitondran’ny andriamanjaka i Andry Rajoelina ka izay vao ho tanteraka tokoa ny ahiahy fony nitondran-dRavalomanana.
Misy rohim-pihavana ve i Laidama sy Andry Nirina Rajoelina ? Ny itovitovizan’izy ireo aloha dia tafiakatra teo amin’ny fitondrana samy tanora ary samy manana mpiara-miasa sy mpanohana avy any ivelany. Nifandray tsara tamin’ny Anglisy itsy voalohany ary tohanan’ny Frantsay kosa ity faharoa. Ara-tantara dia voalaza fa mpitari-tafika nanana ny
Nanana vina sy fandaharanasa maro hampandrosoana an’i Madagasikara Radama I no sady nahay nifandray tamin’ny vahiny. Voafetra ihany anefa ny zava-bitany satria maty tanora izy (36 taona). Tsy fantatra mazava ny anton’ny nahafatesany satria tao no nilaza fa noho ny ratra nahazo azy tamin’ireo ady maro nitarihany nanerana ny nosy no nankarary azy, ao koa ireo miteny fa nijanona tampoka ny fony, misy aza mieritreritra fa ny tandapa sy ireo mpiara-miasa akaiky taminy no namono an’i Laidama. Koa raha miakanjo sy mianjaika tahaka ity mpanjaka fahiny ity filohan’ny FAT isaky ny fotoan-dehibe eto amin’ny firenena dia maro no resy lahatra fa misy hafatra tiany hampitaina ao, satria mahay tsara ny resaka serasera i Andry Rajoelina fa tsy hoe manaotao foana na noterena hanao ireny akanjon’ny mpanjaka ireny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.