Mitaky ny hanohizana ny fifampidinihana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany mifanolana mba hahitana vahaolana amin’ny krizy any Libia ny Vondrona Afrikanina taorian’ny fivorian’ireo filoham-panjakana 5 tatsy Pretoria Afrika Atsimo ny sabotsy sy alahady lasa teo.
Na izany aza, misy ihany ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo samy filoha eo anivon’ny Vondrona Afrikanina mandamina sy manelanelana ity krizy efa miroso amin’ny ady any Libia ity. Ao ireo mankasitraka ny fanafihana sy fandarofana baomba ataon’ny vondron-tafiky ny OTAN mba hanesorana tanteraka ny kolonely Kadahafi eo amin’ny fitondrana sy hisamborana ary hitsarana azy, anisan’izany ny filoha Senegaley Abdoulaye Wade izay manaiky ny rafitra tetezamita najoron’ireo mpanohitra ny fitondran’i Kadhafi ary manana ny foibeny ao Benghazi. Mitsipaka ny herisetra sy fanafihana ambarany fa mikendry ny hanapotehana tanteraka ny kolonely Mouammar Kadhafi sy ny famonoana olon-tsotra kosa ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma.
Hita taratra mivantana fa manaiky ny fanafihan’ny OTAN izay tarihan’i Frantsa ireo firenena Afrikanina mpiara-dia amin’ny Frantsay, mitsipaka izany kosa ireo firenena afrikanina hafa tsy manaiky intsony ny anjakazakan’i Frantsa aty Afrika. Mampibaribary ny maha sarotra ny asan’ireo mpanelanelana Afrikanina amin’ny krizy misy aty Afrika ity tranga ity, satria tsy maintsy misy foana izany ny fifampiandaniana. Raha vao miditra amin’izany anefa ny mpanelanelana dia mikatso ny raharaha famahana ilay krizy. Miha sahirana ihany anefa ilay firenena ary mitombo ny isan’ny vahoaka mahantra, tahaka izany ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Efa nitranga tamin’ny raharaha tao Soudan koa ity resaka fivakisan’ny Vondrona Afrikanina ity raha namoaka didy fampisamborana ny filoha El Bechir, efa-taona lasa izay ny fitsarana iraisam-pirenena, ary dia mbola miriaria any, tsy mety voasambotra moa ity filohan’i Soudan ity, ary tsy mivaha ny olana any amin’ny fireneny, mitohy ny ady.
Mipetraka eto ny fanontanina hoe : tena mahavaha ny olan’i Afrika marina ary ve ny Vondrona Afrikanina sy ny rafitra ao anatiny ary ireo fikambanana isam-paritra tahaka ny SADC, sa mbola miandry baiko avy any ivelany foana ? Raha izay no fipetrany, dia inona no tokony hataontsika eto Madagasikara ? Hanaiky sy hanaraka ny fehin-kevitry ny Vondrona Afrikanina ahitana fizarazarana sy fivakisana ve sa hanao inona ? Raha hiverina amin’ny samy Malagasy indray anefa ny dinika sy fanelanelanana, azo antoka ve fa ho hita ny marimaritra iraisana ary hivaha ny krizy ? Tsy nofinofy ny famahana krizy fa azo atao tsara, tahaka ny nisy tamin’ireo ady lehibe roa sy ny fanavakavaham-bolo-koditra tatsy Afrika Atsimo izay samy nanamarika ny tantaran’izao tontolo izao. Tsy maintsy mahay mifandefitra kosa anefa ireo ary samy mijery ny tombontsoa iombonana. Manamora ny dinika fotsiny ny mpanelanelana fa tsy mpanapa-kevitra sy handidy ny olona hampihavaniny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.