Politique

Nahoana hoy ianareo ?


  • Alarobia 29 Jona 2011

Nahoana hoy ianareo no dia tsy misy fitsarana mihitsy ny zavatra tsy mety vitan’ny fitondrana ankehitriny fa dia ny taloha foana no dradradradraina manerana ity vazantany ity ?

 Angamba nilatsahan’ny fanahy masina ny minisitra iray tanatin’ity fitondrana ity fa dia nampahatsiaro ny lasa. Tsy nisy nanontany, tsy nisy naninona fa dia nilaza izy fa hoe tsy misy idiran’ny fitondrana tetezamita amin’ny fanondranana hazo sarobidy, hono, na dia teo ary ny rakitsary, izay porofo mivantana, ka nahitana vavolombelona nanonona anaran’olona mpitondra mihitsy ary.

 

Ny tena fanontaniana dia ity : aiza ny fanadihadiana momba ireny kay e ?? Iza no manao azy ? Ireto miaramila sy zandary hentintra dia hentitra amin’ny LAKRIMOZENA sy fisamborana terorista ireto ve dia tsy mba nanao ny asany manoloana ireny fanambarana mazava ireny ? Toa hitako ery ry jeneraly manala satroka manao fanambarana fa ho hentitra ny foloalindahy amin’ny fanarahan-dalàna. Dia ireny izany ahoana ? Ary ny fitsarana ve tsy manana andraikitra ihany koa ? Sa ve masiaka be madama minisitra ka sao very asa eo ianareo ?

Ny dosie momba ny 26 janoary 2009 sy ny fametavetana raiamandreny mpitandrina tamin’ny 17 martsa 2009 moa amin’izany dia tsy hita intsony hoe lanin’ny voalavo ve ? Izany ka hoe afenina fotsiny izao. Tsy misy manokatra, tsy misy manontany fa dia tsaroana fotsiny sisa. Ny olona nahavita ireny ve dia tsy mba tokony hisy fanadihadiana na dia kely ary mba tsy hiverenan’ny zavatra tahaka ireny intsony ? Asa aloha ry mpamaky fa izahay TIA TANINDRAZANA dia mino fa rehefa ny fitsarana no atahoran’ny MPITONDRA (fa tsy ny mifanohitra a !!!), dia mandeha ho azy ny fiainam-pirenena rehetra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT