«Ankasitrahana ny vahaolana naroson’ny SADC toy ny tsy miantsy hiraisana sy tenierana, tsy ilaina ary tsy mety kosa anefa ny fisiana taratasy toy ilay nataon’ny Dr Salomao, tsy mifanaraka amin’ny fehin-kevitr’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC sy ny fanambaran’ingahy Simao teny am-pahatongavana teny Ivato fa vao mainka manakorontana. Manampahaizana manokana tsy miandany no tokony halefan’ny Sadc aty».
Santionany amin’ny fanambaran’ny Alliance des Organisations de
Hery telo no hampahomby izany fanelanelanana izany, raha ny fanazavany, dia ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny foloalindahy ary ny fiarahamonim-pirenena. Ny zava-misy anefa dia mivaky ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny foloalindahy koa manana olana kanefa ny vahoaka izay akaiky indrindra ny fiarahamonim-pirenena dia tra-pahasahiranana mafy. Ankoatra izay dia ny sakana goavana amin’ny fanelanelanana ny resaka fizaran-tseza sy ny tsy fanekena sy tsy fanarahana ny zavatra efa tapaka izay nifanarahana. Vonona hiroso hatrany amin’ny fanelanelana ny firaisamonim-pirenena saingy miankina amin’ny fahavononan’ny rehetra ny ho fahombiazan’izany. Raha ankinina amin’ireo mpanao politika mantsy ny fitadiavam-bahaolana, hoy izy ireo dia tsy hisy mihitsy. Momba ny fahatongavan’ireo diplomaty teny Mahamasina ny 26 jona lasa teo kosa dia tsy midika fankatoavana velively ireny, ho an’ny
Tsy maintsy miaraka amina taratasy mantsy izany fankatoavana izany raha ny fanazavana ihany. Ankoatra izay dia fantatra fa hisy ny karazana fihaonam-paritra hataon’ireo mpikambana eny anivon’ny renivohi-paritany enina hifampizarana vaovao ny 8 sy 9 jolay ho avy izao. Vaovao diso, tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy marina mantsy no
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.