Politique

Gisčle Rabesahala Nodimandy omaly teo amin’ny faha-82 taonany


  • Talata 28 Jona 2011

Banga ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy ny tontolo politika Malagasy amin’ny ankapobeny. Lavo ny andrarezina.

 Nodimandy omaly, teo amin’ny faha-82 taonany teny Sabotsy Namehana teny i Gisèle Rabesahala, minisitry ny kolontsaina faha fanjakana revolisionera (1976-1990) sady mambra amin’ny birao politikan’ny antoko AKFM. Olona anisan’ireo nanamarika ny tantaram-pirenena, indrindra ny tolom-panafahana nataon’ny Malagasy niverenan’ny fahaleovantena izy. Mpitantsoratra no andraikiny tamin’ireny tolombahoaka 1947 ireny. Nanorina ny Fifanampiana Malagasy izy, telo taona taorian’io, ho fanohanana ireo niharan’ny tsindrihazolena sy tra-pahasahiranana. Mpanao gazety sady mpanorina ny “Imongo Vaovao” koa izy. Teo amin’ny sehatra politika dia mpikambana tao amin’ny “Union du people Malagasy” ny tenany, nialoha ny 1958 izay nahaterahan’ny antoko AKFM-KDRSM, ka naha sekretera jeneraly azy. Ny politika no nanamarika ny androm-piainan’i Gisèle Rabesahala. Efa solombavambahoaka izy tamin’ny 1977, efa Loholona tamin’ny 2000. Tsy ampy hitantarana ny asa nataony ity takelaka ity. Andrasana etsy amin’ny Foiben’ny Fifanampiana Malagasy Ampandrana ny nofo mangatsiakany. Maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany ny ekipa eto amin’ny Tia Tanindrazana

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT