Politique

Mompera Pedro Opeka Mandatsa ny Malagasy !


  • Alarobia 29 Jona 2011

Niteraka resabe ary tsy nahafaly ny Zanak’i Dada ny fanehoan-kevitry Mompera Pedro Opeka, tao amin’ny gazety vahiny La Croix ary notaterin’ny gazety mpiseho isan’andro iray teto an-drenivohitra omaly talata 28 jona, milaza fa tsy mbola tokony hiverina eto aloha ny filoha Marc Ravalomanana.

 Tsy niandry ela ny valin-kafatra ho azy niainga tao amin’ny Magro Behoririka, nilaza fa raharaha tokantranon’ny Malagasy ity, ka tsy misy tokony itsabahan’ity mompera vahiny ity amin’izany. Mihevitra koa ny zanak’i Dada fa fandatsana ny Malagasy ny tenin’ity pretra slovene, mizaka ny zom-pirenena arzantina ity. Ny tatitra iraisam-pirenena, hoy izy ireo, dia milaza mazava fa nivarina any amin’ny laharana fahatelo mialoha ny farany i Madagasikara, ary voasokajy ho firenena tena mahantra indrindra eran-tany, noho ny krizy, nateraky ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009. Maro ny very asa, mitombo ny fahantrana, mazava fa mitombo isa manaraka izany koa 4’Mi, ka misy amin’izy ireo no nisafidy ho eny Andralanitra, misy ny foiben-toeran’ny fikambanana tarihin’ny mompera Pedro. Ka faly mahita ireo mahantra midodododo eny ve izany ity mompera vazaha ity, hoy ny fanontaniana ? Ankoatra izay dia miomana amin’ny fiverenan’ireo sesintany politika ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana. Amin’izy ireo dia mazava ny tapaky ny SADC tao Sandton, fa tsy misy fepetra ny fodian’ireo sesintany politika rehetra an-tanindrazana, ka anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana.

Manohy

SARY : Tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT