- Zoma 01 Jolay 2011
Politique.Rodobe Toamasina Mandrahona hidina an-dalambe
Nanao fihaonambe tao amin’ny efitrano malalaky ny trano fisakafoanana L´Univers ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ny 29 jona teo.
Hamaky ny tohinyNanao fihaonambe tao amin’ny efitrano malalaky ny trano fisakafoanana L´Univers ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ny 29 jona teo.
Hamaky ny tohinyNa dia efa nivalona aza ny fankazalana ny fetim-pirenena dia mbola mitoetra sy miteraka adihevitra ny lahatenin’ny filohan’ny tetezamita sy ny fizotry ny lanonana manokana teny Iavoloha.
Hamaky ny tohinyMbola nisongadina tamin’ny kabary fanehoan-kevitra teny amin’ny Magro Behoririka omaly ny resaka manodidina ny fanambarana an-gazety nataon’ny mompera Pedro Opeka sy ny fanatrehan’ny Dr Simao ny fetin’ny 26 jona teny Mahamasina izay nambaran’ny mpitari-tolona Marcel fa tsy nahafaly ny Vondrona Afrikanina velively.
Hamaky ny tohinyRaha nangina tsy dia nandrenesam-peo ny depioten’i Mananara Avaratra teo aloha, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ankehitriny, Zakahely Boniface, dia tonga dia ambovonana ny azy omaly, niandry ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny Kongresy hamaliana ny fanontaniana apetraky ny mpikambana, mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.
Hamaky ny tohinyHanamarika ity volana jolay diavina ity ny fitsarana ny raharaha 07 febroary 2009, nisiana fitifirana ka nahafatesana olona tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny fitondrana Ravalomanana, nentin’ny mpitarika azy niala teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey, nihazo an’Ambohitsorohitra, haka ny lapam-panjakana hametrahana ny praiminisitry ny lalana tamin’izany, dia i Monja Roindefo Zafitsimivalo.
Hamaky ny tohinyAraka ny fanazavan’ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa manoloana ireo mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny alarobia 29 jona lasa teo dia hafindra ny fanadihadiana sy ny fitsarana ilay raharaha fanaovana horonantsary mihetsika mamoafady sy fanolanana zaza tsy ampy taona nataona teratany vahiny iray tany amin’ny nosy Sainte Marie.
Hamaky ny tohiny