Hanamarika ity volana jolay diavina ity ny fitsarana ny raharaha 07 febroary 2009, nisiana fitifirana ka nahafatesana olona tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny fitondrana Ravalomanana, nentin’ny mpitarika azy niala teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey, nihazo an’Ambohitsorohitra, haka ny lapam-panjakana hametrahana ny praiminisitry ny lalana tamin’izany, dia i Monja Roindefo Zafitsimivalo.
Amin’ny alakamisy 07 sy zoma 08 jolay ho avy izao no voatondro hanatanterahana io fitsarana io, ka hiatrika ny mpitsara amin’izany ny manamboninahitra isany, ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina sy ny kolonely Jadifara ary ny kolonely Andriamihoatra. Efa samy nosazian’ny fitsarana hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty izy ireo noho io raharaha io, araka ny didy nivoaka tamin’ny 28 aogositra 2010, ary samy voatana am-ponja ao Tsiafahy, tratra tamina raharaha hafa, nanomboka ny 20 novambra 2010. Miteraka adihevitra izy io, vao nanomboka ny fitsarana ny jona 2009, nandalo ny aogositra 2010 nivoahan’ny didy teo anivon’ny fitsarana momba ny ady heloka bevava, ka mandraka ankehitriny. “Hotsarain’ny vahoaka amin’io raharaha io ny Fitsarana malagasy raha tena mahaleotena ka hitsara araka ny rariny sy ny hitsiny marina”, hoy ny Fikambanan’ny Maherifon’ny Firenena taona 2009, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Nalugaru 67ha omaly.
Fikambanana ivondronan’ireo niharan’ny herisetra tamin’ny 2009, ireo mitondra takaitra noho izany sy ireo mbola any am-ponja izay misy 97 amin’izao fotoana, izy ity ka mpikambana voalohany ao Atoa Marc Ravalomanana, araka ny fanazavana nentin-dRasolomanana Jean Louis. Manizingizina ity farany, izay nitondra teny ireo mpikambana maro, fa «tsy ireo miaramila nampidirina am-ponja, izay manamboninahitra ambony ny ankamaroany, no tompon’antoka tamin’ny fitifirana teny Ambohitsorohitra tamin’io sabotsy 07 febroary io”. Tsy nanondro na niampanga olon-kafa anefa izy ireo, fa nionona tamin’ny filazana hoe «hatreo ihany aloha no azonay ambara. Matoky kosa izahay fa hibaribary manomboka eo ny marina mikasika iny raharaha iny». Mamofompofona ampamoaka lehibe ity fitsarana amin’ny 07 sy 08 jolay ity, araka izany.
Ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina, iray amin’ireo voampanga amin’ity raharaha ity, tsiahivina ihany, dia nanao tatitra an-tsoratra amin’ny antsipiriany sady arahina famakafakana teknika mikasika ny zava-nitranga teo anelanelan’ny 26 janoary 2009 ka hatramin’iny raharaha 07 febroary 2009 iny. Misy 20 pejy izy io, ary ny septambra 2009 no nivoaka ho hitam-bahoaka io tatitra io rehefa avy nandefasany ny jeneraly minisitry ny foloalindahy. Azo antoka fa hanan-kambara ary hanohana ny zava-boalazany ao anatin’io tatitra an-tsoratra nataony io ny jeneraly Raoelina mandritra ity fitsarana amin’ny 07 sy 08 jolay ity. Namaritra zava-baovao rahateo ny fiarahan’ny jeneraly Raoelina sy ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy, nefa mpifahavalo sady nifanao hazalambo tamin’ireny 2009 ireny. Koa tsy hatao hahagaga raha hisy ny ampamoaka amin’io fotoana io.
Ankoatra izay, Atoa Marc Ravalomanana, iray amin’ireo nohelohina tamin’io raharaha io, ihany koa dia nanamafy fa tsy hamela ho vitavita mora azy ity raha tsy mibaribary ny marina, ka fantatra izay tena tompon’antoka tamin’ny fitifirana ka nahafatesana olona teo Ambohitsorohitra tamin’io 07 febroary 2009 io. Ankoatra ny raharaham-pitsarana izay mandeha eto dia nitondra ny raharaha eo anivon’ny Tribonaly iraisam-pirenena ny tenany. Mpisolovava Malagasy sy Afrikanina Tatsimo no mandray an-tanana ny dosie amin’izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.