Politique

Rodobe Toamasina Mandrahona hidina an-dalambe


  • Zoma 01 Jolay 2011

Nanao fihaonambe tao amin’ny efitrano malalaky ny trano fisakafoanana L´Univers ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ny 29 jona teo.

 Fihaonana nifampitam-baovao sy fampahafantarana ny zava-misy, indrindra ny dingana misy ny famahana ny krizy, izy ity ary koa nampahalalana ny hetsika efa nataon’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana, tarihin’ny Pr Zafy Albert tao anatin’izany. Nandritra izany dia nampahatsiaro ny Rodobe fa ilaina ny hanaovana sonia ny tondrozotra eto Madagasikara mba tsy hanaovana takalonaina ny vahoaka Malagasy. Mampahatsiro koa izy ireo fa ny foloalindahy Malagasy dia natao hiaro ny tanindrazana fa tsy natao hiandany amin’ny mpitondra na hanaraka fironan-kevitra politika na haneho hevitra mifono politika. Eo anatrehan’ireo dia miantso ny vondrona iraisam-pirenena ny Rodobe, hametraka mazava ny tondrozotra matipaika, ka hampihatra izay voarakitra ao, ary hametraka paikady mahomby sy mazava hivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy. Hentitra ny tenin’ny Rodobe, mitsipaka marindrano ny tsy famelana ny teratany Malagasy hody an-tanidrazana na inona na inona antony nivoahany ny firenena, ary mitsipaka ihany koa ny fametrahana fepetra amin’ireo hody amin’ny nahimpony.

Aoka samy hampandefitra ny hambom-po, ka hiverina hifampidinika ny samy Malagasy, hoy ny Rodobe, hiara-kitady vahaolana hananganana tetezamita iaraha-mitantana, mizotra mankany amin’ny fifidianana ekena sy ankatoavin’ny rehetra. Na izay aza dia milaza ny tsy hipetra-potsiny ny Rodobe, ary mandrahona hidina an-dalambe izy ireo, hanoherana izay rehetra mety ho sakana amin’ny fanatanterahana izany satria mampihitsoka ny firenena amin’izao krizy izao. Marihina fa nandefa solontena tamin’ity fihaonana tao Toamasina ity ny Rodobe Antananarivo, tamin’ny alalan’ny delegasiona notarihin-dRalaiseheno Guy Maxime. Tonga tao Toamasina koa ny avy any Fenoarivo Atsinanana nitondra ny hafatry ny mpikatroka sy naka ny vaovao hampitaina amin´ny mpiara-dia.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT